ADY
- Adin’akoho votrom-bato: ny resy torotoro, ny maharesy disadisaka
- Adin’ombalahin’ny mpianakavy, ny mandresy tsy hobiana, ny resy tsy akoraina
- Adin-tsikidin-drano, misaraka tsy misy maratra
- Ady amin’olotiana, alo maratrany toa izay maharatra azy
- Ady lova, ady fananana; fa ny fihavanana tsy azo hadinoina
- Ady misy hena ka izay mamoy no liana
- Ady tsy ahi-mahatratra
- Ady tsy tratra, maha-rangahy
- Ady volom-balala, ka izay tia azy no ditsoka
- Aleo miady toy izay manao sesimonina irery any Ankaratra ( na mankany Ankaratra tsy misy olona)
- Aoka atao resaka, fa mandany fananana raha atao ady
- Atody tsy miady amam-bato
- Aza atao verin’adin-dreni-omby ny adin’ombalahy (midika hoe aleo mijery adin’ombalahy toa izay adin’ombivavy)
- Aza manao ady amparimbona
- Aza manao ady atsanga
- Fo tezitra tsy ananan-drariny
- Hala-boatavo no niadiana, ka tendry mosavy no hita
- Hendry miady amin’adala ka havizanana no hita
- Hiady ve ka hifamahan-tantely
- Izay tsy miady olom-bodo, izay toro fo mpamosavy
- Lany hatoka toy ny akoholahy maty an’ady
- Lohalika sy laferana, izay miatraika no vasoka, izay mandefitra no mandina
- Lolom-pon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany
- Mahasalasala hoatry ny adin’ondrilahy, akorain-tsy mifampilanja, avela ihany mifamaky loha.
- Miady hariva tsara maraina, miady maraina tsara hariva toy ny mpivady
- Mifankatia tsy mifamarafara, ady no iafarany
- Mihinjihinjy toy ny adin’angely
- Mitranga matetika hoatry ny fifandiran’ny mpivady (adin’ny mpivady)
- Mitsako tsy re ka kenda vao domy aho ranaotra
- Mpifakantia mifanaratsy, izay mahavita be no manenina
- Nify sy ny molotra, izay mahery no afaka aloha
- Ny ady tsy tra-mahavery vava
- Ny ariary zato iombonany, ka kisoa iray no iadiana
- Ny fo, rano mafana, ny tendrom-po tsy mba namana
- Ny hohavanina tsy misy, fa ny iadiana no betsaka
- Ny mpiady tsy misy mpampionona, dia ho tonga any antaninarivo
- Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra fa tsy salaka ho tapaka, tsy lamba ho rovitra
- Tahaka ny jiafotsy, vao tsy ilaozan-kasokasoka, rovitra tsy ilaoza-dromoromo.
- Teny imaso tsy mba kilema
- Teny malemy mahamora fihavanana
- Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy asiana ny sisiny
- Tia ady ka lany harena
- Toy ny adin’ny mpivady, ka ny tokoam-bary aza iadiana
- Toy ny adin-kisoa ka vitan’Anjonanjona ihany
- Tsy mena-mivadika toy ny andro ririnina
- Tsy miady sahala, ka hiady hisy resy
- Tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany
- Vava soa sakafo, vava ratsy adidy
- .....
-
Ohabolana sy fomba fiteny momba ny ADY
- Par
- Le 16/03/2015
- Dans ADY
Ohabolana sy fomba fiteny Malagasy momba ny ADY