Créer un site internet

TENY

  • Arivo teny,  zato kabary,  fa iray ihany no marina
  • Aza manao kobaka am-bava,  volana an-tenda,  ka hatreo no miakatra ihany.
  • Aza manao teny tsy loa-body
  • Aza mindran-tsofina samy akaiky
  • Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
  • Manandrifindrify tahaka ny tenin'adala
  • Manan-joky afaka olan-teny, mana-jandry afaka olan'entana.
  • Miteny ny iray toa novankonina,  miteny ny hafa toa nompolesina.
  • Mitompo teny fatratra toy ny antsikely be zarana
  • Mivoravora ny voadidin'ny antsy noho ny voadidin'ny vava
  • Ny hena masaka mahavelona,  fa ny henamaso mahafaty
  • Ny kitoza no tsara mihantona,  fa ny teny tsy tsara mihantona
  • Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
  • Ny tenin'ny mpisampina tsy inoan'ny mpisikina; ny tenin'ny mpijery tsy inoan'ny mpanao; ary ny tenin'ny kamo tsy inoan'ny mazoto.
  • Ny teny imaso tsy mba kilema
  • Ny teny malefaka mahamora harena
  • Ny teny malemy mahamora harena
  • Ny teny marina ohatra ny fia-pary lava vany ka na lava aza tsy lany hamamiana.
  • Ny teny marina ohatry ny fia-pary,  ka na lava aza,  tsy lany hamamiana
  • Ny teny ratsy fotaka am-baravarana,  ka samy manilika ny eo anatrehany
  • Ny teny toy ny atody ka raha foy dia manana elatra
  • Ny teny toy ny fonosana,  ka izay mamono no mamaha.
  • Ny teny toy ny ketsa : lava mamato-tena,  fohy afatotry ny olona.
  • Ny teny toy ny ketsa,  ka izay mahalana sosohana
  • Ny teny toy ny kitoza,  ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
  • Ny teny toy ny nofon-kena,  ka raha roritina tonga hozatra
  • Ny teny toy ny salaka,  soa atao mihodidina,  ratsy atao mihodidina
  • Ny teny toy ny tori-hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra
  • Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy : lava mamafa lalana,  fohy mampitanjaka ny tompony.
  • Ny teny tsara mahamora harena
  • Ny teny tsy mazava tsy hita fototra
  • Ny tsongo tsy hita fery no tsy toha
  • Ny vava no tsy ato be,  ny mamerina azy no tsy laitra
  • Ny vava toy ny voro-damba,  ka mitsiaka etsy,  mitsiaka eroa
  • Ny vava tsy ambina no ahitan-doza
  • Raha foin’ ny vava,  tsy misy raorao ; fa hany raoraon’ izany ny lainga
  • Raha diso aho dia aza ny tenako no ariana fa ny teniko no ario
  • Raha lava ny ahitra very ny kisoa,  ary raha lava ny alahatra very ny soa.
  • Raha tsy mahalà izay teny tsy mety tsy mba lehilahy
  • Tanana haolo tsy ilaozam-pandrotrarana ; hadivory tsy ilaozan’ ambiaty ; teny maro tsy ilaozan’ izay ota
  • Tantely tapa-bata ka ny vava no mameno azy
  • Teny diso tsy mba kabary.
  • Teny miakatra ifampierana,  teny midina ifampifehezana
  • Teny tsy azo mampihazohazo
  • Tony aretin'omby ny teny,  ka izay mirehodrehoka no hifindrany
  • Toy ny trano vaky vovonana,  ka mitondra teny mivoaka
  • Tsy mety ny mitsako alohan'ny vazana,  na kely mialoha andriana tahaka ny tehina
  • Tsy misy mafy ohatran'ny vato fa rehefa tsy miteny angerezan'ny vorona
  • Tsy misy melo-batana,  fa izay melo-bava no meloka
  • Tsy ny teny no ratsy fa ny sainao no tsy tsara
  • Vava soa sakafo,  teny ratsy adidy
  • Very maina tahaka ny tantely nahoso-bato
  • ....