HAFA KOA

  • Alaviro ny joko tsoriaka mahasambo-kary
  • Aleo manda tsy handeha,  toy izay manaiky tsy ho lasa
  • Aleo maty olo-malaina, toy izay vaky vilany an’efitra
  • Aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga
  • Amalona tsy azo hoatry ny fe,  bonga tsy hita hoatry ny loza
  • Angolangolako eo imasonao,  fa raha takona anao aho mijaly
  • Aoka tsy hanome toky ankamorana; nefa hanary ankasarotana
  • Arivo tatatra,  zato renirano,  fa ny faran’ny rano anie ho Ikopa ihany
  • Atoandro faka ronono ilaiaka,  ka nilaozan’ny omby nihahaka
  • Aty milelaka lelafo,  any mamaky ampinga
  • Aza be henatra imaso,  fa be fosa ivoho
  • Aza kely faka kitay ka be bahana
  • Aza lasan-ko raviny: raviny ihany fa tsy misy voany
  • Aza madio fitafiana fa mitsindroka am-pihinanana toy ny vorompotsy
  • Aza manantena taintsokina ka tsy mety mihaza
  • Aza manao “tsy miady tsy miady, nefa ny kobay ankelika ihany”
  • Aza manao bolokilahy homam-boatseva,  fy ny atsy fy ny aroa
  • Aza manao fy ny voalavo,  fy ny trandraka
  • Aza manao kobaka ambava sy volana antenda,  ka hatreo no miakatra ihany
  • Aza manao longoa mitoto bozaka
  • Aza manao olon-kendry raha jerena : tantely fiandry andriana,  nefa nony dinihina : fanambom-bary fiandry alika
  • Aza manao siaka mampandry adrisa
  • Aza manao takorobabon’akoho,  ny iray fisiam-bary,  ny iray fisian’akotry
  • Aza manao tantanandroa lela
  • Aza manao toy ny sotrobe lava tango, mahay atsy mahay aroa
  • Aza manao toy ny voara (votry) : jerena ivelany toa mandina,  rehefa verahina fonenam-bitsika
  • Aza manao toy ny voavahy,  tsy mahajoro tena fa misarangotra amin’ny sasany
  • Aza manao zatovon’ny any sady zazalahin’ny aty
  • Aza manolo-bato mafana
  • Aza mihaingo ambonin’ny tsikoko
  • Aza milevin-ko fondrana rehefa mivelatra ho ravina
  • Aza miovaova,  anio ondry bodo,  rahampitso ho mena loha
  • Aza misomidika ambony toa menaka: fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
  • Aza mody torana rehefa te-hihinana ny kitozan’ny marary
  • Aza ny atsanga tsy aman’orana no alahatra
  • Aza tsara vava ririnina toy ny mpamboly voalobok’Ambohidratrimo
  • Be faniry nefa kely fila,  ny vary aloha tsy ataon’ny kamo
  • Fanirim-bomanga,  vao kely dia miolaka
  • Faran’ny omby hena,  faran’ny teny ifanatrehana
  • Lainga marivo tototra,  fehezin’ny akoho tokan’anaka
  • Lasan-ko raviny ka tsy misy voany
  • Longo (namana) manambaka lefona
  • Madera raviny fa poa-tahony
  • Madio imaso toy ny tandrok’ondry
  • Madio manatrika,  vazo miamboho toa ravitsara
  • Manantena lambo miakatra ve ka tsy mety midina an’ala?
  • Manantena ny efa azo angaha,  no tsy mandray ravin-dena?
  • Manao toy ny harefo,  mahitsy ivelany fa milefitra ankibony
  • Manatsafa mahita,  toy ny mpaka afo
  • Mandehana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony
  • Mihambohambo tsy tia vary mohaka,  fa miletra ny masiso be herinandro
  • Mivadika imaso toa tandrok’osy
  • Nomem-bava tsy ratsy ka ao an-trano no asian-dratsy
  • Ny alika aza tsy azo fitahina,  maika ny olona!!
  • Ny anarana mampody mandry fa ny terehy mampitampody
  • Ny iray tambatambazan-kambakaina; ny iray mody tsy tia-kolalaina
  • Ny kamo ihany no sasatra
  • Ny lainga donga takona ka mahia mifanatrika
  • Ny lainga mampisolantsolana andro ilazana, fa mampivalomainty andro ifanatrehana
  • Ny lainga toy ny fasika,  mora ama-mandry,  fa sarotra ama-mifoha
  • Ny lainga toy ny nify lanin’ny olitra,  ka sarotra esorina no tsy mahasoa ny tena
  • Ny lainga toy ny vary aloha,  mahatra-po fa tsy mahavita taona
  • Ny lela efa tama-mitsilany tsy azo ahohoka intsony
  • Ny manao no tsy ambinina hono : ampisambory fa Havana ory,  fa raha miraviravy Tanana tsy miasa : aleo mivarina an-kady
  • Ny teny marina hoatry ny fia-pary lava vany,  na lava aza tsy lany hamamiana
  • Ny zoto ahandroana,  ny lainga itonoana
  • Omaly ianao misolanga ho tandrony,  ary anio ianao misafelika ho sofiny
  • Omena mody voky nefa mangalam-pihinana ihany
  • Raha maharary aza ny Tanana,  jereo aloha ny kibo tsy misy hanina
  • Raha vazo mitovy ihany,  aleo tsy mita rano
  • Raofy toy ny lainga,  fa raha feno azy raraka
  • Ratsy tokoa ny lainga fa ny mpandainga aza tsy tia azy
  • Teny arivo,  zato kabary : faran’ny teny ifanatrehana
  • Toetran’ilay malaina: asaina miasa lohataona,  milaza fa vaky lafika. Asaina manosy fahavaratra,  milaza mararin’ny tazo. Avela ao an-tanana: midonendrina tsy maha-masa-kanina
  • Tongo-dava tsy ahitan-kanina
  • Toy ny parakin’Andriatany,  misy ihany fa ampandozaina
  • Toy ny rano antanim-bato,  tsinjovina manelatra ihany, fa nony tovozina tsy ahazahoana
  • Toy ny zozoro,  mahitsy ihany fa telo rirana.
  • ....

×