ANGANO & ARIRA

NY RATSAN-TANANA DIMY

Samy nanana ny heviny, hono, ny rantsana dimy, ka toy izao:

Hoy ny ankihikely : « Noana aho izany »,

namaly kosa ny manaraka hoe : « Noana ka tsy mangalatra! »,

fa hoy kosa ny manaraka : « Mangalatra ka tsy very! »

Dia hoy ny fanondro : « Very tsy avotana ».
Fa hoy kosa ny ankihibe : « Hihatakataka aho fa olon-dehibe ».

Izany, hono no nampisaraka ny rantsana ho dimy sy nahatonga azy ho lava sy fohy. Ny ankihikely no kely indrindra dia noana lalandava; ny manaraka sy ny fanondro no fohy dia botrin’ny sain-dratsiny; ary ny ankihibe sy ny tondro ampovoany no lava sy lehibe dia noho ny hamarinany.

RigolantRigolantRigolantRigolantRigolant

NY SAKA SY NY TOTOZY

Fony tamin'ny andro taloha elabe hono ny saka sy ny totozy dia mpinamana tsy misy toy izany.
Niarahan'izy ireo natao daholo ny rehetra : niaraka natory, nisakafo, nilalao, sinisisa...
Indray andro tao an-trano niresaka ny saka sy ny totozy ka toy izao :
=> totozy : Andao isika mba hanao fanenjika e!
=> saka : Andao, dia iza no boka ?
=> totozy : Tsy maninona fa aleo ary izaho no boka e!
Dia nanao kilalao fanenjika izy ireo. Tsy lasa lavitra akory ny saka dia tratran'ny totozy ;
satria ny totozy kely dia afaka manivaka any ambanin'ny fanaka. Dia saka ndray no boka.
Nitoy ny lalao. Somary sahirana ny saka nisambotra ny totozy satria laozany nitsorika anaty
lavaka sy niafona ambany fanaka lehibe. Ka leo ny saka ka hoy izy :
=> saka : Za tsy anao tsony.
=> totozy : Fa maninona ?
=> saka : Tsy akisitrika anaty lavaka sy ambany fanaka dia manao za.
=> totozy : Andao ovaina ankiafona ary e !
=> saka : Andao ary dia izaho no miafona voalohany.
=> totozy : (natahotra) Alefaso ary e !
Dia nanao kilalao ankiafona izy ireo. Vetivety moa dia hitan'ny totozy ny saka ;
satria lehibe loatra izy eo anatrehan'ny totozy ka mora hita. Dia ny saka ndray no boka.
Nitoy ny lalao. Somary sahirana ny saka nikaroka ny totozy satria laozany niafona anaty
lavaka sy nitsorika ambany fanaka lehibe. Ka leo ny saka ka hoy izy :
=> saka : Afapo za ry totozy fa mipotrà amin'izay.
Ny totozy kosa tsy nipoitra fa resitory tanaty fihafenana tany, satria ela loatra ny fitadiavan'ny saka azy. Niantsoantso hatrany ny saka fa tsy nisy vokany. Nony afaka ora maromaro dia resitory ny saka fa vizana nitady sy niantsoantso. Ny totozy kosa taitra tamin'ny toromasony ka avy nanaitra ny saka. Ny saka nefa tanaty torimaso sy nofy mamy. Tapaka tampoka izany nohon'ny fanairan'ny totozy azy. Nifamaly ela teo ny saka sy ny totozy ka rava hatramin'ny fihavanan'izy roa. Tezitra mafy ny saka ka nisambotra ny totozy. Ny totozy kosa netin'ny tahotra ka nitsaoka mafy nitady toerana hiafonana. Ka nanomboka teo ny saka sy ny totozy dia nanjary nifanenjika sy nanao ankiafona foana. Hatramin'izao fotoana izao.

RigolantRigolantRigolantRigolantRigolant

NY VORONA NIFIDY MPANJAKA

Vorona nifidy Mpanjaka !

Niainga hono, ny voro-manidina rehetra teto ambonin’ny tany ka nifanaiky hifidy mpanjaka, nefa tsy mba tonga ny vorondolo, fa sendra nampifana ny vadiny.

Dia nifanaiky ny vorona rehetra fa izay mahita ny vorondolo ka tsy mamono azy, dia hariana amim-pihavanana ka hatao fahavalo mihitsy.

 Izany hono , no tsy andehana’ny vorondolo antoandro , satria izay vorona mahita azy dia mifandrombaka mamono azy avokoa .

 Dia nanendry tena ho mpanjaka kosa ny voromahery , nefa tsy neken’ny be sy ny maro , satria mahery setra laotra , ka dia nifandrafy taminy izy ; koa izany vorona hitany dia paohiny avokoa.

 Ka dia nifanara-kevitra ny vorona fa ny railovy no hofidiana mpanjakany, satria izy no tsara tarehy sy lava sanga no mahay feo samy hafa.

Izany hono, no nanaovan'ny olona ny railovy hoe Mpanjakan’ny vorona rehetra.

RigolantRigolantRigolantRigolantRigolant

IKOTOFETSY SY IMAHAKA

VOALOHANY :

 Indray andro, hono, tafahaona Ikotofetsy sy Imahakà. Ikotofetsy nivimbina harona ary Imahakà kosa nilanja angady.

-Inona, leiroa, ity entinao anaty harona? hoy Imahakà.
-Reniakoho matavy ity! Hamidiko any an-tsena izy ity, hoy Ikotofetsy namaly azy.
-Ny ahy ity angady vao notefena, entiko hamidy eny an-tsena ihany koa.
-Tena mba ilaiko ny angady…
-Tena mba ilaiko koa ny reniakoho…Dia nifanakalo entana teo izy roalahy, ary nisaraka teo, Ikotofetsy nianatsimo ary Imahaka nianavaratra.

Faly Ikotofetsy fa nahazo angady. Velona sady nisiotsioka izy namonjy ny fodiana, nieritreritra ny tombony tamin’ny takalo izay nataony.
Imahakà kosa mailaka ery fa maika hahandro reniakoho matavy.

Nandalo tanimboly ny lalan’Ikotofetsy. Sendra ny fahavokaran’ny mangahazo tamin’izay ka avy hatrany dia nanapa-kevitra ny hihady roa na telo fototra teo izy.

-Aleo hampiasaina aloha ity angady vaovao ity, hoy Ikotofetsy. Ho faly ny ao an-trano raha sady mitondra sakafo aho no mitondra angady koa.
Vao natsatoka anefa ny angady dia vaky niparitaka.
Teo vao hitan’Ikotofetsy fa tanimanga no nanamboarana ity angady…

-Mpijoko voajoko aho ity, hoy Ikotofetsy, nisafo loha, nihomehy irery. Dia niverin-dàlana izy hizaha an’Imahakà.Imahakà kosa, raha vao lasa lavidavitra dia niato kely, naka aina teo ambody hazo iray:

-Nahoana moa raha amidiko eny an-tsena ity reniakoho ity, hoy izy. Izaho ve dia hivesatra an’ity indray, hody any an-trano any? … Aleo aloha hotombanana ity izy, hiheverana ny mety ho vidiny.

Nosokafany ny harona…nivoaka toy ny tsy tao ny goaika iray, nikopaka elatra ary lasa nanidina. Very ny akoho matavy! Tsy nahomby ny tetika!

Tapa-kevitra Imahakà fa hiverina hitady an’Ikotofetsy.

Vao nifankahita izy roalahy dia nitokelaka sady loa-bava noho ny hafetsen’ny andaniny avy, ary  nanapa-kevitra izy ireo fa ho mpinamana.

  

FAHAROA :

Niainga, hono, Ikotofetsy sy Imahakà, ka Ikotofetsy mponina avy any andrefana ary Imahakà mponina avy any atsinanana. Ikotofetsy moa andeha hiantsinanana ary Imahakà kosa andeha hiankandrefana, ka tafahaona teo an-dohasaha izy roa lahy dia nifampiarahaba !

Imahakà nitondra angady tanimanga voahosotra manjarano, fa Ikotofetsy kosa nitondra goaika tao anaty harona. Nifanantsafa izy roa lahy hoe « inona izato entina, raondriana ? ».

Dia hoy ny navalin’Imahakà « angady no entiko, ‘ndeha hatakaloko akoho ». Fa niteny Ikotofetsy hoe  » ny ahy kosa akoho ‘ndeha hatakaloko angady ». « Raikitra izany » hoy Imahakà, « ‘ndeha ary itsy izy hafanakalo ». »Kanefa » hoy Ikotofetsy « aza sokafana ety  an-dalana ny harona, fa akoho kaody sady tsy mifatotra, ka andao rifatra mandositra ka manahirana anao ».

Fa namaly kosa Imahakà hoe « angady vao naofana izy, fa vao notsinina, ka avelao hiotrika kely aloha, fa aza malaky atombotomboka, fandrao banga ». Dia samy lasa nody izy roa lahy. Rehefa samy tonga tany an-tranony avy izy dia nosokafana ny an’Imahakà ka riatra nanidina ny goaika, ary nahombo tamin’ny zarany kosa ny angadin’Ikotofotsy, ka nony natontona tamin’ny tany dia torotoro.

Dia samy vaky vava hoe izy : « Adray izany hafetsentsika roa lahy izany ! ». Taorian’izany dia tafahaona indray izy miaotra ka hoy Imahakà : « raha dia hisakaiza tokoa ary isika miaotra, ‘ndeha kely hifampiady karajia ». « Mety izany » hoy Ikotofetsy, « ‘ndeha ary itsy izy ».  « Izao ary ny zavatra mahagaga ahy » hoy Imahakà, « ka raha fantatr’ialahy ny heviny, dia ekeko fa lalin-tsaina noho izaho ialahy : mahagaga ahy ity omby mainty tokam-bolo, ka fotsy ny rononony ». »Asa iky » hoy Ikotofetsy,  » tsy fantatro izay mahatonga izany; fa izao kosa no mba mahagaga ahy, ka raha fantatr’ialahy ny fotony, dia lalin-tsaina noho izaho ialahy : mahagaga ahy ity omby sy ondry, samy vilona ihany no haniny, ka ny iray lava marotsaka ny rambony, ary ny iray kosa be hogaka ». »Asa lahy ! » hoy ny navalin’Imahakà, tsy fantatro izay mahatonga izany ». Dia samy nikoy izy roa lahy ka nanao hoe : mitovy saranga isika miaotra izany, ka ‘ndeha hifankatia tsara ».
Dia nanao nahandro tsara izy hirahan-komana, hampiseho ny fifankatiavany, ka raha vao nihinana dia nifampiera hoe  » ‘ndeha isika roa lahy samy hatory aloha, ka izay tsara nofy no aoka hihinana io hanina io ».

Dia lasa natory aloha izy roa lahy. Ary nony avy nifoha izy dia niteny Imahakà hoe « nofiko niakatra tany an-danitra aho ka nahita zavatra nahafinaritra sy nahasondriana ahy tokoa. Ka mba lazao hoe izay nofin’ialahy tsara noho izany ? ». Fa hoy ny navalin’Ikotofetsy : « nofiko nahita an’ialahy niakatra nankany an-danitra aho, ka sondriana tany, hono, ialahy, ka nifoha ‘ndeha hihinana ny hanina aho, fa hoy izaho anakampo : efa sondriana any izay ilehiny ka tsy hety hidina aty intsony, kanjo hay ialahy ity eto ihany indray ! ka andeha itsy izy hiara-komana ny hanina ».

Dia samy tsipaky ny hehy izy roa lahy ka niara-nihinana.

RigolantRigolantRigolantRigolantRigolant

IFARAMALEMY SY IKOTOBEKIBO

Nisy, hono, fahiny olona mivady niteraka maromaro. Ny faralahy tamin’izy ireo dia kibotaina ka nantsoiny hoe Ikotobekibo, ary ny fara vavy kosa nalemy ka nataony hoe Ifaramalemy. Tsy mba nahavita na inona na inona mihitsy izy mianadahy farany ireo ka tsy tian’ny ray aman-dreniny, ary nony farany aza dia nananany hevitra halevim-belona fa nanorisory azyloatra.Efa nihady lavaka tokoa àry izy mivady taty aoriana. Nanontany, hono, izy mianadahy isany ny anton’io lavaka io, fa novalian’izy mivady hoe : « Hanotrehana akondro e! ». Kanjo mba fantatr’iretsy zokin’Ifara sy Ikoto nony ela fa handevenam-belona azy mianadahy farany. Nalahelo tokoa ireo no sady very hevitra.

Nilazan’iretsy zokiny Ifara sy Ikoto ny ampitson’io. Ary hoy izy mianadahy kely hoe : « Andeha handositra izahay raha izany, fa sao dia matimaty foana eto ! » Dia nanaiky iretsy zokiny no sady nangoraka azy mafy. Nisy aza nanolotra vatsy kely ho azy ireo fa sao noana ka mijaly foana eny an-dàlana eny.

Dia lasa tokoa ary Ifaramalemy sy Ikotobekibo, ka ny iray nikolepadepaka nitondra tehina fa malemy moa, ny iray kosa isoneninenika foana noho ny havesatry ny kibony. Nafana be ny andro tamin’izay ka tsembo-dratsy mihitsy izy mianadahy teny an-dàlana. Ikoto dia tena nahatsiaro vizana tamin’izany.Nony efa lasa lavidavitra izy ireo, dia nitomany Ikoto fa tsy afaka
intsony. Dia hoy Ifara hoe : « Etsy babeko aloha àry, razandry, mandrapahazonao aina »! Dia nobabeny Ikoto ary lasa indray izy mianadahy nitety tokony ho tanety iray. Nikotrifatrifa ery Ifara amin’izany fa sady malemy no reraky ny nibaby an-jandriny.

Rehefa afaka hateloana (telo andro) no nandehanan’izy ireo, dia nahita tany lemademaka tsara izy mianadahy ka mba nijanona niala sasatra. Nahatamàna azy ireo fatratra anefa ilay toerana, koa dia nanangom-pako sy rantsan-kazo ary bainga izy mianadahy, ka nanao tranobongo kely teo amin’ilay toerana mahafinaritra.

 

Nony efa vita àry ilay tranobongo, dia nipetraka tao izy mianadahy. Taty aoriana anefa dia nanjary kinga ery Ikoto tamin’ny fahaizana mihaza, ka isaky ny nody avy any izy dia notreroniny foana Ifara fa hoe : « Atsangano ny efitra, ry Fara », ary tsy nesoriny indray raha tsy efa lany ny haza nandrahoiny. Nalahelo mafy tokoa Ifara tamin’izany.

Tsy naharitra anefa Ifara indray andro fa mba lasa nitady haza fa efa lany avokoa ny handrahoina tao an-trano. Nony lasa lavidaitra izy dia nahita tsy nahy ny tranon’Itrimobe. Tsy tao indrindra Itrimobe tamin’io fotoana io, ka rehefa avy nitsidika tao an-trano Ifara dia nongahany ny hanina sy ny entana tao ka nentiny nody.

Mbola nanao ny fanaony indray Ikotobekibo teo am-pihinanana ny androtr’io, fa Ifara kosa dia mbola nentim-pitiavana azy ihany ka tsy nanafina ny vary amin-dronono sy tantely ary ny varangan’amalona azony tany amin’ny tranon’Itrimobe. Gaga foana Ikoto raha nahita izany ka tapa-kevitra fa ho any izy mianadahy.

 

Nony tonga tany amin’Itrimobe izy ireo dia nambosimbosika izaitsizy Ikoto fa tsy nahalala voky. Tena tsy zakany intsony ny kibony nony efa avy eo ka very hevitra Ifara. Dia nakariny tao an-toeram-bary Ikoto ka notolorany lefona sy antsibe tao an-trano fa hoe : « Raha tonga Itrimobe dia asio ho faty fa raha tsy izany dia laniny ». Dia lasa izy. »MAIMBO OLOMBELONA !!! MAIMBO OLOMBELONA !!!! » hoy ny fitreron’Itrimobe nony tonga izy sady niakatra tany an-toeram-bary. Vao nitranga anefa ny lohany dia notrobaran’Ikoto ny lefona ka niaraka tamin’izay dia jemby, nefa mbola nikiry ihany ka vao mainka nasian’Ikoto ary farany dia nidaraboka dangy tery amin’ny tany mihitsy. Maty Itrimobe !Ren’Ifara ny nahafatesan’Itrimobe ka nifindra tao amin’ny tranony izy mianadahy ary lasany avokoa ny fananan’Itrimobe, ka nanjary mpanankarena be mihitsy izy ireo. Ren’ireo ray aman-dreniny koa izany ka mba nanatona ireo no sady nanambitamby azy fatratra. Dia niadana be tao hono, izy mianakavy kely. Angano, angano ! arira, arira !.

RigolantRigolantRigolantRigolantRigolant

RAPETO SY RASOALA

Rapeto hono, dia Vazimba talohan’izany Andriamanelo, mpanjaka teto Gasikara fony fahagola. Teo Ambohidrapeo andrefan’Antananarivo, no vohitra nitoerany. Lavabe nahatakatra ny lanitra izy. Tany anaty ala atsinana no nandrahoiny ny variny, nefa tany Ambohidrapeto no nihinanany azy.

Tany Ambohitrarahaba, avaratr’Antananarivo, no filalaovany, ka nataony indray mandingana fotsiny ihany hatreny Ambohidrapeto ka hatreny Ambohitrarahaba. Izy no nanao ny tsentsin-drano vato vaventibe ao am-bodin’Itasy, ka namboariny ho farihy lehibe, hisotroan’ny ombin-dRasoalao vadiny.

Ilay vato loaka tahaka ny dian-tongotr’olona ao an-dalamben’Ambohitrarahaba dia nohitsahin’ny faladiany sy niankinan’ny ranjony, hono, hampisehoany ny heriny. Ary ny loadoaka eny amin’ny vatolampy maro dia lazaina hoe diany avokoa.
Indray mandeha izay dia nanampatra ny heriny loatra izy ka naka ny volana holalaovin’ny zanany; kanjo nasian’ny volana diamanga izy ka dangy nitsitra tery. Lazain’ny sasany kosa anefa fa nankany atsinanan’Amorokay izy, ka tany no nahafatesany.

Rasoalao kosa, hono, dia Vazimbavavy avy any Ankaratra, ka niankandrefana nankany Ambohiiangara ary nanambady an-dRapeto, ka niteraka vavy roa, dia Rasoavolandrainy sy Rangorimanga. Tao Ambohimiangara sy Ikasige any Mandridrano ary tao Ambatomanjaka sy Ambohiby, any Mamolakazo, no nisy vohitra fonenan’izy mivady. Mbola ao an-tampon’Ambohimiangara mandra’ankehitriny, hono, ny vilany vin-dRasoalao sy ny fahitr’ombiny ary ny fatoran-janakombiny.

Ny ombimanga rehetra any Antsakalava dia atao hoe: « ombimangan-dRasoalao »; ary raha handeha hisambotra ireny ny mpanonta, dia mitaraina amin-dRasoalao sy Iktofotsy (vorompotsy) mpiandry ny ombiny mba hanome ombimanga azy, vao sahy mandroso manenjika.

RigolantRigolantRigolantRigolantRigolant

  • 349 votes. Moyenne 3.2 sur 5.