IZY KOA

  • Ankizy nilaozan-tsakaiza,  milalao vovoka irery
  • Aza atao fotsy volo mitozo foana,  na zokiny manara-dia.
  • Aza manao lahy antitra mahazo lamokan’atody, ka tsy mitodi-jafikely intsony.
  • Aza manao toto vomangan-drangahibe,  ka ny malemy ihany no velezina.
  • Aza manao tovolahy tia loka : ny andro iainana mbola ho lava,  fa ny tovon-karena ho lany.
  • Aza manarampo hoatry ny kary an’efitra.
  • Aza mitaitay ho sola,  fa vato no lolohavina.
  • Ela nanidinana andriam-balala,  ka tapaka ny elany.
  • Iri-mahory toy ny volo fotsy (ho tratra antitra).
  • Izay manoro lalana mahitsy,  mamindra aina.
  • Lahy antitra manao lelik’asa ka mosarin’ny hafetseny.
  • Lehibe vao miana-poto-tsarika ka sahirana.
  • Manaram-po fahazaza ka maka kitay fotsy volo.
  • Manaram-po zaza ka misoron’afo volofotsy.
  • Mandroaroa toy ny mason’antitra.
  • Maromaroa ny fiteraka fa tsy ilaozan'izay hilaozan'izay ho tsara
  • Miara-monina amim-pahalainana fahazaza ka mitafy vorodamba rehefa antitra.
  • Mpandany ny azo toy ny zaza mpandova.
  • Ny anatry ny ray toy ny tsipak'ombalahy,  mahavoa mahafaty,  tsy mahavoa mahafanina.
  • Ny ankizy no manao tsingeringerina ka ny lehibe no fanina
  • Ny hazo no vanon-ko lakana,  ny tany naniriany no tsara"
  • Ny ony miteraka mamba,  ny rano mitera ka ny ony.
  • Ny ray no mihosom-potaka ka ny zanany no vazina
  • Ny sola malahelo tsy mba rangahy.
  • Ny tanora valaka tsy mahaleo ny antitr’Imamo
  • Ny tanora vao mandondona,  ny antitra hazo amoron-tevana,  ka tsy hita izay hianjera aloha.
  • Ny zanaka toy ny tanan'akanjo,  atsipy ao andamosina,  asavily ao andamosina ihany.
  • Rafotsibe leomboanjo ka tain’ondry avy no andosirany
  • Rafotsibe leon-tsokina ka tsy te-hierika vodi-kofafa.
  • Rafotsibe manenji-janantsitsina: « izaho ety izy ery"
  • Rafotsibe miandry ombilahy,  ka manaraka ambokony.
  • Rafotsibe nita rano,  ka « izay hahasoa ataovin’Andriamanitra na ho rendrika na ho tafita ».
  • Rangahibe no tratra andro,  rafotsibe no manadala azy.
  • Rangahibe tsy tia harahara,  ary rafotsibe tsy tia vodi-tenona ka misaraha trano fandrao misy very.
  • Rangahy mianala,  fanoto no zaka; ka maty antoka ny vatsiny
  • Sahala amin’ny sahona,  mipetraka toa lahy an titra mitsambikina toa tovolahy
  • Sandry be tsy hery,  fahatanorana tsy ody faty.
  • Sifotra antitra aho ka tsy maha-reny vorona anao.
  • Tahaka ny antitra mitomany,  maika loza fa miketrona manaratsy tena.
  • Tanora be sondrotr’aina,  ka ho faty alohan’ny marary.
  • Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka.
  • Tovolahy tsy mahalala ho an’ny tena,  sakafon’ny alika gaigy
  • Toy ny fanahin-jaza manjazana.
  • Toy ny fanoto,  antitra vao mihakely.
  • Toy ny tovolahy mahita fotsimbary ka arotsahy arotsahy ihany.
  • Toy ny vero,  tsara faniry fa ratsy antitra.
  • Toy ny voatavo tsy mifandraka fa zazabodo.
  • Tsara raha maniry zaza ka tera-dahy
  • Tsy avelan’ny ela tsy ho antitra.
  • Tsy misy hianteherana toy ny bozaka : tanora sakafon’ny omby ; antitra sakafom-patana.
  • Valalanamboa : tanora mitsipaka,  antitra mitsipika
  • Vavianti-doza,  tsy mamindrafo ny lasa
  • Voa mirindra,  voa miandalana,  ka izay mahatsangy no zaza.
  • Za-drano toa amalon’antitra.
  • Zanaka tsy nateraka mahabe vavorona
  • Zatovo mandry maraina,  bongo maso vao hita.
  • ....