Créer un site internet

Ankamantatra

ANKAMANTATRA MALAGASY

Ankamantatra Malagasy, lovan-tsofina mety efa heno na mbola tsy heno, dia ho itanao ato anaty lisitra ato. Ny Ntaolo Malagasy fahiny no namorona azy ireny ary koa am-pitaina sy aparitaka toy izao ataon'ny FAMILLE YVES izao, koa mampatsiahy ny taranaka aman-dimby no azon-tsika atao. Satria izay no mety, tsy misy afaka mivoana isika Malagasy ary ny antsika malagasy dia Volamena .....

Inona ary izany :

- Zavatra lavavalava mitsofoka anaty zavatra mando lava, mamoaka fotsifotsy
valiny: mifoka sigara

- Ilay kely monina an-trano vato
valiny: lela

- Ny maty no milanja ny velona
valiny: farafara

- Biby lava mifoka sigara
valiny: masinina

- Tsy atoraka tsy avily nefa mahatonga lavitra
valiny: maso

- Tsy atsipy tsy atoraka nefa mahatonga lavitra
valiny: eritreritra

- Ny reniny miteny hoe andao hitsangana, ny zanany manao hoe andao hitsivalana
valiny: tohatra

- Kapaina tsy ita fery
valiny: rano

- Vava roa mifampiditra, tongony 5, sofiny 4, vatany 2, masony 2
valiny: saka mangalapinana anaty vilany eo ampatana

- Hano aho hinanako anao
valiny: sakay

- Jereo aho ijereko anao
valiny: fitaratra

- Bataina tsy zaka, akisaka tsy mety, ilaozana manaraka ho azy
valiny: aloka

- Elo lehibe tsy mipika
valiny: lanitra

- Maraina izy tongotra efatra, atoandro tongotra roa, ariva tongotra telo
valiny: olona

- Antsaha tsy misaraka, antanety tsy mifanary
valiny: rano sy vary

- Raha tsy misy ahy ny trano dia lasa rano
valiny: t

- Inona ny eo anelakelapehan'ny popy
valiny: o

- Tongony tapaka tsy nahafaty azy, fa lambany latsaka no mahafaty azy
valiny: vary akotry

- Nonon'i Nenibe mitarozaka
valiny: sosety

- Ilay mahia miankin-drindrina
valiny: sahafa

- Ilay boka mitaingin'tseza
valiny: mananasy

- Miaramila iray camion, izay mivoaka maty
valiny: afokasoka

- Lasa aho fa ianao avelako eo
valiny: dia tongotra

- Rehefa mandalo ikoto kely dia miala satroka ingahy lehibe
valiny: zinga sy sinibe

- Dobo kelin'Andriamanitra tsy azo anasana lamba
valiny: maso

-....

  • 704 votes. Moyenne 2.8 sur 5.