AFO

  • Afo aman-drano,  sady sakaiza no fahavalo
  • Afo lavitra tsy azo amindroana
  • Afo ririnina,  ilefàna mangatsiaka,  atonina mahamay
  • Andro hamaizan’ny trano dia manao afo am-bilany kely,  fa ny ampitso manao afom-borodamba
  • Aza atao toy ny afo-mololo,  ka indray miredaka dia izay
  • Aza manao afon’analakely ka ambony vao midonaka
  • Aza mila voatsiary,  toy ny maka afo amin’ny maty
  • Aza misisika ho may toy ny fisoitr’afo
  • Efa ho lava toy ny afon’Atongona
  • Ivahiny ankava-malahelo,  ka soron’afo no hita
  • Izay iray donak’afo,  iray dinidinika
  • Main’ny afo natsangany
  • Maka kitay manana ankizy,  misorona afo mananjiro,  homa-maizina eo ampototry ny mazava
  • Manaram-po fahazaza ka misoron’afo volofotsy
  • Mantsafa mahita,  toy ny mpaka afo
  • Maty mangina toa otrikafo
  • Miangatra kosa ny velona raha ny maty no anateran’afo
  • Mitono manao matamata,  mahandro manao lozodozotra; ny atao ihany ity no nankarary am-bavafo.
  • Nahoana no ho mpanefy ka matahotra afo!!
  • Ny marina toy ny afo,  raha fonosina mandoro
  • Ny mpanjaka toy ny afo,  raha alavirina mangatsiaka,  raha atonina mahamay
  • Raha miroborobo ny afo,  miara-mamindro izy rehetra,  fa ny tompon-trano ihany no manila ny lanenona.
  • Soron’afon’adala,  ny aloha tsy levona,  ny aoriana asisika ihany
  • Tongotry ny afo, ny rivotra,  vavan’ny adala ny hendry
  • Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
  • Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
  • Ny tokantrano tsy ahahaka.
  • Raha eken-dRabevoho aza,  raha tsy eken-dRafara tsy tapaka.
  • Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany,  dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra.
  • Raivo tsy hety hirafy,  Rafara hisesika ihany.
  • Saro-po manan-tokana,  ka tsy manan-droa hamolahana
  • Sarotr'entina toy ny rafozam-be tsiny: omena ny manta,  "Tsy omby vilany",  omena ny masaka,  "sisa tsy lany"
  • Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana,  ka ao ny sendra ny trafony,  ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
  • Toy ny reni-hao,  ny vavy indray no malaza.
  • Tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy toy ny torimaso
  • Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra.
  • Tsy ny donak'afo no mahafana ny trano,  fa ny mpivady mifanara-draharaha
  • Vadin-joky kilalaon-jandry
  • Vady hariana be tsiny,  zanak'olon-tsy vadiana toa soa,  tsy rafozana toa bohaka
  • Vady tiana k'aza vambaina
  • ....