ADY

  • Adin’akoho votrom-bato: ny resy torotoro,  ny maharesy disadisaka
  • Adin’ombalahin’ny mpianakavy,  ny mandresy tsy hobiana,  ny resy tsy akoraina
  • Adin-tsikidin-drano,  misaraka tsy misy maratra
  • Ady amin’olotiana,  alo maratrany toa izay maharatra azy
  • Ady lova,  ady fananana; fa ny fihavanana tsy azo hadinoina
  • Ady misy hena ka izay mamoy no liana
  • Ady tsy ahi-mahatratra
  • Ady tsy tratra,  maha-rangahy
  • Ady volom-balala,  ka izay tia azy no ditsoka
  • Aleo miady toy izay manao sesimonina irery any Ankaratra ( na mankany Ankaratra tsy misy olona)
  • Aoka atao resaka,  fa mandany fananana raha atao ady
  • Atody tsy miady amam-bato
  • Aza atao verin’adin-dreni-omby ny adin’ombalahy (midika hoe aleo mijery adin’ombalahy toa izay adin’ombivavy)
  • Aza manao ady amparimbona
  • Aza manao ady atsanga
  • Fo tezitra tsy ananan-drariny
  • Hala-boatavo no niadiana, ka tendry mosavy no hita
  • Hendry miady amin’adala ka havizanana no hita
  • Hiady ve ka hifamahan-tantely
  • Izay tsy miady olom-bodo,  izay toro fo mpamosavy
  • Lany hatoka toy ny akoholahy maty an’ady
  • Lohalika sy laferana,  izay miatraika no vasoka,  izay mandefitra no mandina
  • Lolom-pon-kovalahy,  tsy miseho tsy ratsy tany
  • Mahasalasala hoatry ny adin’ondrilahy,  akorain-tsy mifampilanja,  avela ihany mifamaky loha.
  • Miady hariva tsara maraina,  miady maraina tsara hariva toy ny mpivady
  • Mifankatia tsy mifamarafara,  ady no iafarany
  • Mihinjihinjy toy ny adin’angely
  • Mitranga matetika hoatry ny fifandiran’ny mpivady (adin’ny mpivady)
  • Mitsako tsy re ka kenda vao domy aho ranaotra
  • Mpifakantia mifanaratsy,  izay mahavita be no manenina
  • Nify sy ny molotra,  izay mahery no afaka aloha
  • Ny ady tsy tra-mahavery vava
  • Ny ariary zato iombonany,  ka kisoa iray no iadiana
  • Ny fo,  rano mafana,  ny tendrom-po tsy mba namana
  • Ny hohavanina tsy misy,  fa ny iadiana no betsaka
  • Ny mpiady tsy misy mpampionona, dia ho tonga any antaninarivo
  • Raha ny mamba sy ny voay no miady,  dia aoka hifandramatra fa tsy salaka ho tapaka,  tsy lamba ho rovitra
  • Tahaka ny jiafotsy,  vao tsy ilaozan-kasokasoka,  rovitra tsy ilaoza-dromoromo.
  • Teny imaso tsy mba kilema
  • Teny malemy mahamora fihavanana
  • Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy asiana ny sisiny
  • Tia ady ka lany harena
  • Toy ny adin’ny mpivady,  ka ny tokoam-bary aza iadiana
  • Toy ny adin-kisoa ka vitan’Anjonanjona ihany
  • Tsy mena-mivadika toy ny andro ririnina
  • Tsy miady sahala,  ka hiady hisy resy
  • Tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany
  • Vava soa sakafo, vava ratsy adidy
  • .....