Humour

MASERA

Nisy masera manja be nanaitra an'i Lui ka nokôtiny dia niavona ary lasa niditra bus, narahan'i Lui tanaty bus. Tao anaty bus niresaka i Lui sy Guy mpandeha bus:
- Lui: Manja be mintsy lesy ry masera alo itsy zany an!
- Guy: Antanio ny sofera fa mpandeha bus-ny io sady izy mahita ny alehan'io foana.
Ny ampitson'iny niresaka tamin'ny sofera Lui:
- Lui: Manja be mintsy ry sofera ity masera io aoriana io an!
- Sofera: Reveko be mintsy koa izy io, miresaka amin'ny tsangambato ary foana io isan-kariva!
- Lui: Tsangambato aiza zany ry sofera fa alehako any io?
- Sofera: Ary tanimboanjo e!
Ny ampitso arivan'iny nandehanan'i Lui tany sady nesoriny ilay tsangambato dia izy no nitsangana teo sady avy nihositra vovoka fotsifotsy be mitovy amin'ilay tsangambato mihintsy. Tao aorina kelin'izay dia tonga tokoa ilay masera sady niresaka tamin'ilay tsangambato:
- masera: Manahoana ry tsangambato a! Tsy mba nanararaotra ny fiainako aho, ianao irery zao no mba azoko izarana ny alaheloko, raha mba afaka mihetsika izao ianao dia ataoko daholo izay tianao atao.
Kanjo nihetsika tampoka ilay tsangambato sady niteny :"Marina ve, ndao ary iray ara-nofo raha izany"
- masera: Sady talanjona! Ndao ary e, fa izao: aleo avy any aoriana fa mitazona ny maha masera virijiny ahy aho.
Noho ny vita ny vita dia hoy izy ireo:
- tsangambato: vohako ianao ry masera fa izaho tsy tsangambato fa ilay bandy nikoty anao.
- masera: Azoko ianao ry tovolahy fa izaho tsy masera fa ilay sofera ha ha ha.

Parachutte

ADALA TELO

Dokterra mitsabo

Nisy adala 3 voafandriky ny afo teo amin'ny terasy 1, trano rihana 3, efa nirehatra avokoa ny rihana 2 ambany ka tsy azo idinana intsony. Na dia avy be tsy misy tahaka izany aza ny orana dia tsy maty ny afo. Niresaka teo izy 3 nitady tetika hanavotana ny ainy. Nahita fika izy ireo. Niombon-kevitra ny 2 ka naka elo lehibe 3 avy, ka avy hatrany dia nisoty avy teny ambony teny. Tsara vitana fa nitontona soamatsara tety ambany dia avotra. Ilay faha-3 kosa nandray ragla sady nanaovany tsara dia nisoty avy teny ambony teny. Tahaka ny inona ny fitontonany tety ambany dia nafoy ny ainy....

JEAN PIERRE

Teo am-piandrasana Bus no tafaresaka ny tovolahy roa:
- Izay maheno ny anarako lety dia tapatsinay mihomehy avokoa fa ahoana?
- Fa iza ny anaran'ialahy?
- Jean Paul Bevody lesy a!
Tapatsinay koa ity farany vao naheno izany. Leo ny anao lahy ka ny ampitson'iny nanova anarana tany amin'ny tribonaly. Tafahoana teo am-piandrasana Bus ny andro manaraka izy roalahy:
- Novaiko lesy ny anarako ny farany a!
- Dia iza izany zao no anaran'ialahy?
- Jean Pierre Bevody lesy a!
Mbola Tapatsinay mihomehy ilay namany vao nahare izany....

Bevody

FACEBOOK

Gif humour facebook

Nampiresaka tovovavy kely 15 taona i Marius tamin'ny facebook:
- Marius: Cc njy!
- tovovavy kely 15 taona: Kuku
- Marius: Manja ky ny sary profil njy i
- Marius: Njy ve efa manana sipa?
- tovovavy kely 15 taona: ie fa ahoana?
- Marius: JTM wa e!
- tovovavy kely 15 taona: za tsy tia tson fef manana sipa za!
- Marius: ka Jiro Tapaka Matetika nge wa e!
- tovovavy kely 15 taona: shsssssssiiiiiiiiiiii
- Marius: fa tena marina mafatifaty ah njy!
- tovovavy kely 15 taona: manadala ah ve enao zany e?
- Marius: Ts mahay manadal za fa mahay mikoty.
- tovovavy kely 15 taona: zao ve de mahay mikoty!
- Marius: mikoty vola, andro, akoho amam-borona, karama isam-bolana zany ka!
- tovovavy kely 15 taona: hihihihi
- Marius: Ar njy ve vièrge?
- tovovavy kely 15 taona: Tsy tsony fa ahoana kay zany fanontanianao zany?
- Marius: Signe du zodiaka no nanontaniako ka! Lol
- tovovavy kely 15 taona: Blôkeko enao :P

JODASY

Niaraka nandendeha i Jesosy sy ny mpianany teny amoron-dranomasina. Ka hoy Jesosy:
"Maka vato iray avy inareo". Dia samy naka iray avy ireo mpianany, ny an'i Jodasy vato be no nalainy. Avy teo hoy Jesosy:
"Atoray anaty ranomasina ka izay tonga lavitra indrindra omeko ny fanjakan'ny lanitra, afatsy izay farany".
Dia samy nitoraka ireo ka ny an'i Jodasy iray metatra miala aminy fotsiny. Avy teo hoy Jesosy: "Maka vato iray avy ihany inareo".
Dia samy naka vato lehibe avy ireo mpianany, ny an'i Jodasy vato kilonja kely mba no nalainy. Avy eo hoy Jesosy:
"Amin'ny anaran'Andriamanitra miova mofo ireny vato tazominareo ireny" Dia samy niova mofo ny vato teny an-tanan'izy ireo.
Avy teo hoy Jesosy: "Maka vato roa avy inareo" Dia samy naka vato roa mitovy habea avy ireo mpianany, ny an'i Jodasy
vato be sy vato kely no nalainy. Fa hoy izy tany an-tsainy tany: "Raha atoraka dia ilay kely, fa raha avadika mofo dia ilay lehibe".
Avy eo hoy Jesosy: "Manomboka androany dia ataoko toy ireny vato tazominareo ireny ny habehan'ny voa mahalehilahy anareo"...

Judas

TAOMABILINA KELY

Voiture

Nody aloha tao an-trano dadan'i Stéphane fa avy naka konzé tany ampiasana. Ramatoa vadiny nandro tany amin'ny dosy, Stéphane mbola 4taona kosa mbola variana nilalao tao an-tokontany. Netin'ny hafaliana tsy niasa rangaha ka vao nahita andramatoa avy nandro dia tsy nazaka ka raikitra ny ara-nofon'izy mivady teo amin'ny fandriana. Niditra tampoka tamin'izany nefa Stéphane ka tratrany teo izy roa. Noroahan'ny dadany nivoaka haingana Stéphane. Ny ampitson'iny nanontany Stéphane:
- Stéphane: Inona kay no nataon'i Dada tamin'i Neny maly ariva iny?
- Dada: Nianahana ka ny farany nilaza ny marina
- Dada: Tsy maintsy ho fantatr'elahy izany na ho ela na ho aingana fa enoy ary...
- Dada: Nanamboatra zazavavy kely ho zandrin'ialahy lesy aho a.
Ny afaka ampitson'iny, tratran'ny Dadany tao amin'ny garazy Stéphane teo amin'ilay taomabilina andry zareo.
- Dada: Fa inona ity ataonao ry Stéphane?
- Stéphane: Manamboatra taomabilina kely za ry Dada a!
Tsy nateny ny dadany fa ny lakile famelomana taomabilina no nolalaoviny ela teo....

MAKARARY MASO

Niresaka ireto renim-pianakaviana roa: Zozy sy Zety
- Zozy: Mankarary maso aky reny ordinatera rena a!
- Zety: Fa ahoana akia?
- Zozy: Ny masonjanako izao nivonto mintsy sady mangana.
- Zety: Ny ordinateranareo nga le ekra be vody reny?
- Zozy: Ie sady ndrayndray menamena be de ndrayndray maintsomaintso be ny ekra
- Zety: Na dia zany aza ve dia nampivonto sy nahamangana ny masonjanakindry?
- Zozy: Ka avy tany antokontany tany izy sady niazakazaka dia tafitohana tamin'ilay tapi moaira teo amin'ny salon avy eo nidona tamin'ilay ekra ny masony.

Oeuil

MISAOTY PARA

Humour kaka

Nifanao taim-bava i Rodrigue, Bien Aimé ary Rodolphe ka niafara tamin'ny loka goavam-be. Teny ambony ropilanina no nitranga ny fandehany. Hifaninana nisoty para i Rodrigue, Bien Aimé ary Rodolphe
ka izay ambany indrindra no mahazo 5 Milliards Ariary.
I Rodrigue no nandeha nisoty voalohany ka 3 000 metatra tsy hitontonana tamin'ny tany no novelariny ny para.
I Bien Aimé no nandeha nisoty faharoa ka 2 000 metatra tsy hitontonana tamin'ny tany no novelariny ny para sady nizesita ery izy.
I Rodolphe no nisoty farany sady netin-dedaka mafy ery; 3 000 metatra tsy novelariny ny para, 2 000 metatra, 1 500 metatra, 1 000 metatra mbola tsy novelariny ihany, 500 metatra, 200 metatra, 50 metatra mbola tsy novelariny foana, 5 metatra dia hoy izy: "Io ve dia tsy ho voasotiko"....

RENIN'I CELINE

Indray andro nandendeha teo an-tokontanim-piangonana i mopera ka nahita tovovavy kely iray teo ambonin'ny manga.
- Mopera: Anaka, inona no ataonao eny ambonin'ny hazo eny?
- Céline : Maka manga aho mopera
- Mopera: Midina teny aingana
Dia nidina teny ambonin'ilay hazo ilay tovovavy kely
- Mopera: Ity misy vola 5000 ariary dia lasa ianao mody, hafaro reninao hividy atin'akanjo ho anao.

Dia lasa nody ilay tovovavy kely. Noho ny tonga tany an-trano izy.
- Céline : Neny a! nomen'ny mopera 5000 ariary za.
- Nenin'i Céline : Fa naninona ianao no nomen'i mopera 5000 ariary?
- Céline: Naka manga za dia tratrany de nomeny vola ividianana atin'akanjo sady nalefany nody.
- Nenin'i Céline: Hay kosa a! endraso io trano io fa ho any za.
Dia lasa izy no nikoropaka sady nesoriny ny atin'akanjony. Sendra nivoaka ny fiangonana mopera no nahita ny renin'i Céline teo ambonin'ny manga.
- Mopera: Anaka, inona no ataonao eny ambonin'ny hazo eny?
- Nenin'i Céline : Maka manga aho mopera
- Mopera: Midina teny aingana
Dia nidina teny ambonin'ilay hazo renin'i Céline.
- Mopera: Ity misy vola 200 ariary dia lasa ianao mividy razoara Bic fa midoroboka izy izany.

Toto

MISY FAHATARANA

Humfemme

Nanao afon-dasy tanaty natiora ny mpinamana 5 mianadahy. Nifandimby nitantara fampihomehezana izy ireo. Nandeha ny voalohany dia vaky hehy ny 4 ary Douglas tsy nihomehy. Fampihomehezana faharoa tsy mbola nihomehy ihany i
Douglas fa bonaika be fotsiny, faha-telo, fahefatra ka hatramin'ny faha-folo. Ny 4 mianadahy tapatsinay latsaka mihintsy.
Avy eo samy nangingina efa ho 3 minitra teo, vaky tapatsinay tampoka amin'izay Douglas. Gaga ireto namany sady ny fampihomehezana efa tapitra efa ela. Nanontanian'ireto namany izy:
"Fa inona ity mahalatsaka an'i Douglas?" Kay izay vao mazava taminy ilay fampihomehezana voalohany...

PISININA MAJIKA

Misy pisinina iray majika any Pisinanika, ka izay teny teneninao alohan'ny isoty ao dia mivadika toy iny ilay rano anatin'ilay pisinina. Nisy tovolahy 3: Eugène, Marka sy Donga. Nifandimby nisoty tanaty ilay pisinina izy 3 lahy.
Eugène no nandeha voalohany. Niazakazaka izy dia avy eo nisoty sady niteny :"Ronono velona". Dia nivadika "Ronono velona" ny rano tao anaty pisinina.
Marka no nandeha faha-roa. Niazakazaka izy dia avy eo nisoty sady niteny :"Tantely". Dia nivadika "Tantely" ny rano tao anaty pisinina. Nifiritika tety ivelany ny sasany tamin'ny fitontonany tao.
Donga no nandeha farany. Niazakazaka koa izy kanjo solifatry ny tantely sady niteny :"Teny ratsy". Dia nivadika "Teny ratsy" izay voateniny ny rano tao anaty pisinina....

Fille

MANAMBADY ZANAKA MPANJAKA

Tsara

Nanao fanambarana ho an'ny lehilahy rehetra teo an-tanàna ny mpanjaka iray :
"Izay tafapita io rano feno voay io ka tsy maty fo aman'aina dia omeko izay tiany sady mendrika hanambady ny zanako faravavy"
Nisy rano feno voay nanasaraka ny tananan'ny mpanjaka sy ny olon-tsotra. Ny mpanjaka ihany no nanana baka hiampitàna io rano io. Vory lamina teo amoron-drano avokoa ny vatan-dehilahy rehetra, nefa tsy nisy sahy niampita ilay rano sao matin'ny voay eo. Dia teo samy teo. Nohon'ny afaka ora iray teo.
Tampoka nisy tovolahy iray nisotisoty teny ambonin'ny voay sady tafapita teny amin'ny mpanjaka. Nihorakoraka ny rehetra sady faly hatramin'ny mpanjaka fa nisy lehilahy mendrika ihany.
Niresaka avy eo ny mpanjaka:
- Mpanjaka: Arabaina ry tovolahy, inona amin'izay ny tianao fa izay no teny nambarako.
- Tovolahy: Tsotra ihany ka, ny zanakao faravavy aloha ary ilay olona nanosika ahy teo....

TONGOTRA ENINA

Nody tampoka tao an-trano ramose fa kamo dia tsy niasa alina sady tonga dia natory teny ampandriana akaikin'drafotsy. Ny ao an-tranon'izy ireo koa moa somary maizimaizina fa veiezy no mirehatra.
Nantontany tampoka ramose avy eo:
- Ramose: Ohatran'ny enina anie izany tongontsika zany e ?
- Rafotsy: Aiza koa izay eo e! efatra ireo, matoria ka, efa alina ny andro.
- Ramose: Tena marina raha tsy enina mintsy ireo tongontsika reo e!
- Rafotsy: Ndana ary midina dia avereno isaina raha tsy efatra ireo.
Dia nidina tokoa ramose nanisa....

Wazzzzz

VOAVELIN'NY KITAY

Chien rire

Nisy tovolahy kely Stuwart 11 taona nanontany mpivarotra iray:
- Stuwart: Misy siramamy ve?
- Mpivarotra: Lany e!
Afaka folo minitra.
- Stuwart: Misy siramamy ve?
- Mpivarotra: Lany hoy aho!
Afaka folo minitra ihany.
- Stuwart: Misy siramamy ve?

Tezitra ilay mpivarotra ny farany.
- Mpivarotra: Anihanio eo ihany za fa velesiko ny kitay ela!
Afaka folo minitra avy eo.
- Stuwart: Misy kitay ve?
- Mpivarotra: Tsy misy.
- Stuwart: Ary misy siramamy ve?

TSY AZO ALAINA VADY

Niresaka Roland sy ny dadany:
- Roland: Anambady ilay sipa etsy am-pitantsika etsy za ry dada?
- Dadany: Ilay tovovavy faha firy zany?
- Roland: Ilay faravavy iny e, i Muriélah.
- Dadany: Ay ve! tsia.
- Roland: Fa ahoana ry dada? Zay aza efa niaraka natory.
- Dadany: Vokatry ny revinay sy ny renininy iny. Tazomy an'ialahy irery izany an.
Teny ampita. Niresaka Muriélah sy ny dadany:
- Muriélah: Anambady ilay bandy etsy am-pitantsika etsy za ry dada?
- Dadany: Ilay lahy tokany iny ve?
- Muriélah: Ilay lahy tokan-dry zareo iny e, i Roland.
- Dadany: Ay ve! Indrisy! Tsia anaka.
- Muriélah: Fa ahoana ry dada?
- Dadany: Nilomano tanaty tavoahangy za taloha dia iny no vokany. Tazomy an'dry irery izany an.

Sources

CONSIGNE DOKOTERA

Tena tapaka tany am-piasana ny tanako rafotsy a! Nenjera teny amin'ny riana faha-2 an-le trano vao amboarinay zay za.
Rafotsy: Ko zao enao vao miditra ny trano! efa amin'ny firy alina zao!
Ramose: Ka raha mody aloa za dia banga ny karamako
Rafotsy: Ndao ary tsika zao dia zao wany amin'ny dokotera, efa nandalo tatsy @ dokotera Sylvain nga ianao io voa nody?

Ramose: Tsy mandray marary tapaka ao ko! ka ny tanako ne no tapaka Ramatoa ity eee!
Rafotsy: Ngody laozanao mamaky soratra amin'ny tabilao ny dokotera ndray zay.
Ramose: Fa ahoana mintsy mo! tsy maintsy vakiana ny consigne ko. De ny sotratra teo hoe "Mandray marary tsy tapaka"
Rafotsy: Zay ary le efa nahiako fa andao tsika wany zao dia zao, Ny consigne dokotera anao io foana tssssss....

Drole dieu hei2

NOHO IANAO IO

Singe

Alahady ny andro. Nitory teny toy ny fanaony i Pasitera:
- Pasitera: bla bla bla ...
Sady arahana fihetsika manondro
- Pasitera: ... noho ianao io, maty nombohana teo amin'ny hazo fijaliana jesosy
- Pasitera: ny fitiavana anao io, namoy ny ainy Jesosy kristy
- Pasitera: noho ny fahotanao io
- Pasitera: noho ianao io, nitsangana tamin'ny maty Jesosy
Tanatin'izany toriteny zany, tapaka tampoka ny jiro tao ampiangonana. Dia nitsangana Charline no niteny:
- Charline: Dia lazao fa izaho ko no nanapaka io jiro io....

TSY FOTOANA NY MAZIKA

Nisy tovolahy iray antsoina hoe Julius tamina tanàna iray, nahavariana ny manodidina mihintsy. Isaky ny arivariva dia mampiditra biby iray ao an-tranony izy.
Nanaitra ny sain'ny ry zareo manodidina ka nandrasandry zareo ny ampitso arivan'iny. Iny tokoa fa nampiditra biby iray tao an-tranony. Nandrasandry zareo kelikely.
Dia avy eo nodakan'izy ireo ny varavarana ka nivoa ny trano. Kanjo i Julius sy kisoa vavy iray no tratrandry zareo teo am-pandriana sady niboridana tsy nahetsika tsony.
Hoy aingana Julius: Aza matahotra ianareo fa efa fanaonay sy rafotsy zao.
- Julius: Tsy fotoana fanaovana mazika tsony zao rafotsy fa mivadiha olona aingana fa afa-baraka aho.

Cochon

ZAY VAO NORME

Singe six

Teo amin'ny zaridaina Mahamasina no nandeha ny resaka.
Trozona sy ny sipany vao poinsa vao haingana.
- Merline: Gilady sady ngeza anie nareo zany ry Trozona e!
- Trozona: Aza mampihomehy hoy aho
- Merline: Marina e, zao zany no nahatonga ny anaranao hoe Trozona?
- Trozona: Anaranako napetaka vao erin'andro zany.
- Merline: Jereo anie zany halehibehan'ny lohanareo e!
- Trozona: Nenjera teny totohi-bato ambondrona io
- Merline: Jereo anie zany habehan'ny molotrareo e!
- Trozona: Tratran'ny riran-tohitra io
- Merline: Jereo anie zany habehan'ny oronareo e!
- Trozona: Io oroko io no nitotona farany tamin'ny nenjera
- Merline: Jereo anie zany habehan'ny masonao e! nenjera ko?
- Trozona: Ny sofiko sisa no tsy narary no tsy naninona.
- Merline: Zany ve, Mifanentana tsara ny lohanao sy ny sofinao amin'izao ko.

TANY DEZERA

Teny amin'ny Dezera iray no nitranga ny tantàra. Dezera 1 volana mandeha rameva vao tonga any amin'izay aleha. Manivaka izany.
I Franssis mba efa misasaka ny lalany. Nanana rameva vavy izy, nanana rano ho sotroina, nanana sakafo ho wanina, sns...
Nanana izay rehetra entina miatrika Dezera izy. Nafana ny andro, làlana lavitra, izy irery. Nisy indro kely taminy nefa.
Te hiray ara-nofo mafy de mafy nefa i Franssis. Ny farany nataony ilay rameva. Tsy mety voany mihintsy nefa ilay rameva, satria nipelipelika loatra.
Ela ny ela, tsy nety tratrany ilay rameva. Tampoka nefa dia nisy tovovavy manja kely 4 nandalo, nanao akanjo manify, sekisy, mandimandina, sady nandalo teo aminy nangataka rano fa matin'ny hetaheta.
Rehefa afaka hetaheta ireto tovovavy dia nisaotra an'i Franssis sady napiny hoe:"Raha misy ilaivanao anay dia ireto izahay fa andeha zay rehefa vita izay atao".
Faly ery i Franssis nahare izany ka hoy izy: "Tazomy ary ny tongotr'io rameva io fa mipelipelika be"...

Albert einstein

MIISA DIMY

Abeille piss

Tanaty irinoara iray no niseo ny tantàra. Mipipy i Rene dia misy tovolahy iray eo anilany manao ny azy koa. Noresahan'i Rene ilay tovolahy:
- Rene: Raha isaina izao ny voantsika mitsam dia miisa 5.
- tovolahy: Aiza a! 3 zany ny an'ialahy le!
Dia toy izay no ataon'i Rene rehefa mandalo sy mipipy miaraka amin'ny olona amin'io irinoara io. Indray andro nefa, tsy toy ny andro rehetra.
Nandalo teo izy sady nipipy, dia nisy tovolahy iray nanampy azy teo. Noresahan'i Rene ilay tovolahy:
- Rene: Raha isaina izao ny voantsika mitsam dia miisa 5.
- tovolahy: Aiza a! 1 zany ny isan'ny an'ialahy le!

ZA KOA FETSY

Teo anosy no nitranga ny tantara. Avy any ambany volo ity tovolahy iray ka sendra nandalo teo amin'ny carlton. Talanjona izy nahita ity trano avo be sady feno riana maro. Tsy naharitra izy dia nanisa ny riana, teo amin'ny riana faha-2 alohan'ny farany izy no nisy nanaitra tampoka:
- Nanaitra: Eh tsy azo isaina ny rian'io trano io fa voarara.
- Nanaitra:Firy izay no efa voaisanao?
- Nanaitra: Ariary zato isaky ny riana ny dina ka aloavy aingana.
- Tovolahy: Mbola vao enina izay ka
- Nanaitra: Eninjato zany no alohana amiko
Rehefa voaloa ny vola dia lasa ilay tovolahy nanao dia maika no nierikerika. Sady hoy izy: "Voako enao fa ny riana voaisako aza efa ho folo mahery"

Blonde
  • 350 votes. Moyenne 3 sur 5.