Créer un site internet

FANAMBADIANA

  • Aleo adala tena toy izay adala renianaka
  • Aza manao toy ny rafozana jamba,  ka aleo hateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
  • Aza misorom-bady an-trano fa ny tena ihany no ho trany
  • Aza mitsiriri-bady voky
  • Aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra,  fa izay mihaingo tsara avokoa
  • Aza tsy tia vady,  fa tsy ny voalohany no vady,  fa ny farany
  • Diso hery loatra,  ka mamely kopala rafozana
  • Fanambadiam-boalavo ka samy mikepoka ny azony
  • Fara-vady anadahy
  • Lamba ny fanambadiana ka raha vao dia rehareha
  • Maimay hivady ka dodona hisaraka.
  • Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena,  ka ny loa-bary sisa no andrasana
  • Manambady ny lava,  tsy mindran-tohatra intsony,  manambady ny fohy,  mitahiry tapak'aponga,  manambady ny lozabe,  mitahiry varatra an-trano
  • Manambady ny tsara tsiriritindry zalahy,  manambady ny ratsy ihomehezandry zalahy
  • Manambady traky nify atao aloha mitsiky amin'olona,  atao aoriana sao manaikitra ny tena.
  • Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany.
  • Miady maraina,  tsara hariva; miady hariva,  tsara maraina,  toy ny mpivady
  • Miasa jamba rafozana toy ny vinanto vao.
  • Mifosa tena toy ny mifosa vady
  • Mirehaka amin'ny be tsy hananana,  toa ny vadikelin'Antananarivo
  • Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa
  • Mitranga matetika toy ny fifandiran'ny mpivady.
  • Mpitovo mananatra ny mpanambady,  ka hendry tsy manan-ko an-tena.
  • Ny anambadian-kiadanana, ny iterahan-ko sambatra.
  • Ny anambadian-kiterahana, ny iterahan-ko dimby.
  • Ny anambadi-kiadanana
  • Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy, vao tsy ialàn-kasokasoka, tonta tsy ialàn-dromoromo.
  • Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
  • Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
  • Ny tokantrano tsy ahahaka.
  • Raha eken-dRabevoho aza,  raha tsy eken-dRafara tsy tapaka.
  • Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany,  dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra.
  • Raivo tsy hety hirafy,  Rafara hisesika ihany.
  • Saro-po manan-tokana,  ka tsy manan-droa hamolahana
  • Sarotr'entina toy ny rafozam-be tsiny: omena ny manta,  "Tsy omby vilany",  omena ny masaka,  "sisa tsy lany"
  • Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana,  ka ao ny sendra ny trafony,  ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
  • Toy ny reni-hao,  ny vavy indray no malaza.
  • Tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy toy ny torimaso
  • Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra.
  • Tsy ny donak'afo no mahafana ny trano,  fa ny mpivady mifanara-draharaha
  • Vadin-joky kilalaon-jandry
  • Vady hariana be tsiny,  zanak'olon-tsy vadiana toa soa,  tsy rafozana toa bohaka
  • Vady tiana k'aza vambaina
  • ....