Créer un site internet

AINA

  • Akohokely mifatotra mahazaka, mizaka ny tsy eran'ny aina
  • Akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan’aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
  • Aza manirina olon-tsy afaka aina
  • Izay manoro lala-mahitsy mamindra aina
  • Kibobo voafandrika ka ny mandrimandry no ahazoana aina.
  • Mahery tsy maody tsy ela velona
  • Mamy ny miaina
  • Manao vy very ny ainy
  • Mpitadi-bato tsy mihoraka very ny androatokon'aina. ary mifankatia tsy miresaka very ny androatokom-pitiavana
  • Ny aina aloka aman-javona mihelina dia lasa
  • Ny aina fitahy, ny herimpo fanary
  • Ny aina fofonahandro,  raha sokafana dia lasa
  • Ny aina hiala,  tsy menamaso
  • Ny aina toy ny aloka aman-javona
  • Ny aina toy ny fanjozoro,  izay mahapandopando no manana ny mateza
  • Ny aina toy ny Tavim-bilany,  tsy fantatra izay hahavakiany, na andro na ho alina
  • Ny aina tsy afaky ny tompony
  • Ny aina tsy mifametra
  • Ny arivo lahy tsy maty indray andro
  • Ny fahafatesana tsy manisa ny aina efa matiny.
  • Ny tany vadiben-janahary,  mihary ny velona,  manotrona ny maty
  • Raha voadona ny aty marary ny afero
  • Ranomaso tsy mahatana aina
  • Taon-jezika an-kady ka aina no fetra
  • Voalavo mifanena an-ketona ka samy miaro ny ainy​
  • ....