FIAINANA

  • "Ataovy maro ny tiana dia ho vitsy ny fahavalo"
  • "Hazakazaka arahintosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany,  fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy"
  • "Kazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany,  fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy"
  • Afo anatin-tany ny fiainan'olombelona: soa izy ao, ratsy izy ao
  • Afo anatin-tany ny fiainan'olombelona: soa izy ao, ratsy izy ao
  • Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny heritreritra
  • Aleo ro-madio tsy arahin-dromoromo toy izay hena matavy arahin'alahelo
  • Angady tokana; raha tapaka tsy misy hanakambanana azy indray.
  • Arakaraky ny eritreretanao ny farim-piainanao no fandanianao vola.
  • Asesiky ny fitia sy ny hanina azy, ka tsy mahalala masoandro ho faty
  • Atao teri-omby ririnina tsy ahaosa ny reniny, tsy ahafaty ny zanany
  • Ataovy vikin'alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
  • Aza atao tsy tiako bika, tsy tiako tarehy.
  • Aza be anatra imaso, fa be fosa ivoho.
  • Aza be siasia toy ny amalona andrano.
  • Aza manao an'Andriamanitra tsy misy ka mitsambikina mikipy
  • Aza manao joko tsoriaka mahasambo-kary
  • Aza manao mpitari-bato vilam-bava,  ny tondroin'ny molotra hafa,  ny ataon'ny tanana hafa
  • Aza manao solafaka andro mitsidika
  • Aza manao: tsindrio fa resy; tano fa azo
  • Aza mandihy tsy afa-tavony.
  • Aza miandry ny ho faly vao hitsiky fa mitsikia mba ho faly
  • Aza mifaninana fa mamorona,  jereo izay ataon'ny besinimaro ary aza atao.
  • Aza milanjalanaja toy ny akoho mihinam-biby
  • Aza mitomany ny randrana manendrika ny hafa
  • Aza ny antsanga tsy aman'orana no alahatra
  • Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon'ny loha
  • Aza setroky ny afo aroson'ny hafa ihany
  • Aza zatra manao lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
  • Be famangotra toa rambon'osy,  ny lanitra tsy ienjera tohanana fa ny vody kekerin'ny moka tsy heverina
  • Fanafodin'ny osa ny marina ataony.
  • Fatra-pitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina.
  • Fidio izay asa tena tianao ary dia tsy hanampy andro iray hiasana amin'ny fiainanao intsony ianao
  • Fidio izay asa tianao ka toy ny tsy miasa ianao amin'ny androm-piainanao rehetra.
  • Ilatsahan'ny varatra am-pangerena,  sady maty no mihoson-tay
  • Izay mangina volamena
  • Izay misiditsidina ny eritreriny dia ho potraka noho ny nataony
  • Izay sahy maty ihany no mifono lamba mena.
  • Izay tia ny tenany dia tsy mba hanam-pahavalo
  • Izy mihevitra hiasa tsara dia tsy maitsy mandrangitra ny fitaovany.
  • Maitso foana ny ahitra eny an-jaridainan'ny olona.
  • Maizina ny andro,  azo tsilovina,  lalina ny rano,  azo lakanina,  lalina ny hady,  azo toharina,  fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra.
  • Mamoiza ry vaotay fa nangery eny ambony vato ny ankizy
  • Mamono biby an-davaka ka hifoteran'ny rambony
  • Manao an'Andriamanitra tsy hisy ka mitsambiki-mikipy
  • Mandia tany isika,  miloloha lanitra,  mandiniha rehefa miteny,  mijere vao mamindra.
  • Mandihy lava volokelika: mahay manantsiny, tsy mahay manantsiny.
  • Mangalatra an-tsena ka mihaiky ny ambanilanitra.
  • Manita draharaha toy ny andevolahy mampirafy.
  • Manjono lasa -mamba ka sam maka ny tiany.
  • Maso mahita tsy mitondra mody
  • Matin'ny ebo kely ka ataon'ny alahelo mitakiky.
  • Maty an-tanana toy ny valala samborim-boka
  • Maty manao soa izy, mandefitra vao vaky loha
  • Miavaka anatiny ohatran'ny maso fotsy.
  • Mimonomonona hoatra ny lalitra, miriorio hoatra ny angidina
  • Miriorio ny angindina fa any an-kady ihany no hihafarany
  • Mitso-dava ohatran'ny amalo-maty
  • Monina ambanin'ny riaka fa tsy lena
  • Mpanelanelana sarotra toa tatamo
  • Nahoana no ho maty volon'ny ratsy,  ka ny soa no ampanirina?
  • Nahoana no lala-masaka omaly,  ka dia manjary tevan-kamono?
  • Ny asa tsara dia tsy noho ny hery irery ihany fa noho ny fikirizana
  • Ny eritreritra dia tsara lavitra noho ny fahalalana.
  • Ny fahadisoana dia zavatra tsy maitsy alohanao amin'ny fiainanao rehetra.
  • Ny fahazoam-bola noho hiankinan'ny olona noho ny ohatrinona no fidiram-bolako.
  • Ny fanadinonao ny tarigetranao no vato misakana eo anolonao tsy ahatanterahanao azy.
  • Ny fay sy ny tamana dia iray ihany.
  • Ny fiainana dia izay hieritreretinao ho ianao, no maha ianao anao.
  • Ny fiainana toy ny làla-malama ka izay miraingiraingy no potraka.
  • Ny fifalian'ny sasany toa fahorian'ny hafa, ny sakafon'ny sasany toa pozina mifono ho an'ny hafa.
  • Ny filalaovana sy ny asa tsy miaraka.
  • Ny halavoana tsy maha lehibe
  • Ny hana-dray aman-dreny dia toa ny tsipak'ombalahy, raha mahavoa mahafatsy raha tsy mahavoa mahafanina
  • Ny hazo avo halan'ny rivotra.
  • Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara.
  • Ny hevitry ny maro mahataka-davitra.
  • Ny lela dia maranitra mandratra na malefaka manome tso-drano.
  • Ny olombelona voatr'ampangoro,  ka mifandimby ambony sy ambany
  • Ny olona ambony mijery ny tenany, ny olona ambany mijery ny olona
  • Ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha.
  • Ny soa atao hilevenam-bola,  ny ratsy atao loza mihantona
  • Ny tarehy ratsy tsy azo hovaina fa ny fanahy ratsy kosa azo hovaina
  • Ny tena fahafinaretan'ny saina dia ny manao zavatra izay heverin'ny olona tsy vitanao.
  • Ny teny toy ny atody ka raha foy manana elatra
  • Ny vilany nandahoana no efa nipoaka
  • Ny zavona no manamaizina ny mazava.
  • Rafotsibe mandinga-tatatra ka manitatra ny efa mikatona
  • Rafotsy be kendam-bomanga,  kenad ny nasesiky ny tananany
  • Raha zanaka tsy tia ray aman-dreny miteraha mba hahita
  • Sakay sy voantsiperifery: ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
  • Setroka sy tomany tsy mba sarotra fantarina.
  • Sokiny nanani-bato ka tapa-dalan-kaleha
  • Solafa omen-tehina, potraka omen-kiraro
  • Solafaka omen-tehina, potraka omen-kiraro
  • Tahaka ny kitoza ny fiainana, ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony.
  • Tain'alika ka ny avo ihany no tovonana.
  • Tain'angely ka samy manilika ny ambaravarany.
  • Tanon'Antanananarivo io ka izay mahavita aloha no manenina.
  • Tonga fa tsy tafiditra am-pahitra,  toy ny omby noroahin-jaza
  • Toy ny haloky ny tarehy eo amin'ny rano ny fo, izay havoakan'ny vavanao no maha hianao anao.
  • Toy ny mamoaka omby tokana, vao mitehin-doha dia tapitra.
  • Toy ny ovy am-bato ny olona,  maniry ihany fa tsy tomombana
  • Toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
  • Trano takatra ka izay mandrava azy mialoha no boka
  • Tsy maso fa sa fiandry loha no tsy mahita izay hojerena?
  • Tsy misy ny afo raha tsy misy kitay, tsy misy ny ady raha tsy misy ny mpifosa
  • Tsy misy valiny ; hoatra ny manao soa aman-kazo.
  • Tsy ny tany no fady fa ny vavan'ny olona
  • Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
  • Velezo ny vy dieny mbola mafana.
  • Velona iray trano,  maty iray fasana toy ny olombelona
  • Voalavo no velona, akaiky ny lavany.
  • ....

×