FITIAVANA

  • Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valamparihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia.
  • Asesiky ny fitia sy ny hanina azy,  ka tsy mahalala masoandro ho faty
  • Ataovy fitia landihazo: ka ny madilana tentenana,  ary ny màito tohizana.
  • Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka,  raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
  • Ataovy fitian-dranon'erika: madinipihavy fa mahatondra-drano
  • Aza asesiky ny fitia tanteraka,  ka tsy mahalala ny ranonorana ho avy.
  • Aza atao fitia ranontrambo be fiavy fa mora ritra.
  • Aza atao fitia siligaoma,  lany ny mamy dia ariana
  • Aza atao fitia telefônina ka raha tsy maneno tsy tsaroana
  • Aza atao fitia varavarana,  tiana ihany fa atositosika
  • Aza atao fitia voangivy,  mbola lavitra ihany ka kivy.
  • Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia,  rahampitso aho bedin'ny dada,  afaka ny ampitso aho tia olon-kafa.
  • Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
  • Aza atao toy ny fitia varavarana,  ka tiana ihany fa atositosika
  • Aza manao fihavanan-karena ka tomany handratra ny sasany.
  • Aza manao fitia mifono avona
  • Aza manao fitia paraky,  ka hatreo ambava no ho miakatra ihany.
  • Aza manao fitia rano trambo: be fihavy,  ka mora lasa.
  • Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho,  ka tsy mitadijafy intsony.
  • Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.
  • Aza mitsipadoha laka nitana
  • Fitia kiraro,  tiana ihany fa itsakitsahina
  • Fitia lamban'akoho, aina no fetra
  • Fitia savony,  tiana fa avalana rano.
  • Fitia tokonana,  tiana fa dikadikaina (hitsakitsahina)
  • Fitiavana vita sedra fitia mandra-maty!
  • Fitiavan'alika ka fifandroritana no hiafarany
  • Hazo sy vorona,  izay manina no manatona
  • Ikalamomba tsy tiandahy ka maty vao Ramalala
  • Izay iray vatsy iray aina.
  • Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitapi-maso hahazo ozona be.
  • Izay tia ny tenany dia tsy mba hanam-pahavalo
  • Izay tiana mitombo tarehy.
  • Lany andro mifampidinika tahaka ny saka manao fitiavana
  • Matim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan'ny sotro.
  • Miarahaba mamba,  tsy fitia fa tahotra.
  • Mifankatia amin'amalona : ka nony sendra tia,  nabolilany
  • Mifankatia tsy mifamarafara,  ady no farany.
  • Milaza hoe tsy tia,  tsy tia ; kanefa tsy manidy trano.
  • Misoko mangina toa ranom-panala ny fitiavana, an-koditra vao mahangoly.
  • Misotro rano an-tanam-bady tsy hetaheta fa angolangola.
  • Mody tsy tia,  koa lefaka
  • Mpisakaiza toa mpiombon-dray,  mpifankatia toa mpiombon-dreny
  • Nahoana no ho tia vao ka manary kolokolo?
  • Ny alahelo toy ny raki-malala,  ka raha tsy ny olon-tiana tsy amorahana azy
  • Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona : hatonina,  manalavitra; halavirina,  manatona
  • Ny fihavanana tsy azo vidiam-bola
  • Ny fitia toy ny ketsa,  afindra vao miroborobo
  • Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana toy ny fary lava vangy
  • Ny fitiavana iray afaka mizara ho an'olona maro fa ny fitiavana ny iray tsy azo zaraina ho an'olona roa
  • Ny fitiavana maloto toy ny lomotra ambony vato ka raha diavina mandavo
  • Ny fitiavana tahaka ny afo : raha lalaovina mandoro,  raha koloina maha-masa-bary"
  • Ny fitiavana tahaka ny ketsa ka mora afindra.
  • Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana.
  • Ny fitiavana toy sorajandiana ka samy mifidy izay tiana.
  • Ny vala tsa mba seragnana,  fa ny fo tea ro mihilagna
  • Raha maty aho matesa rahavako
  • Raha monina anosy,  lavitra olon-kiresahana.
  • Raha mpifankatia tsy miresaka,  hono,  very ny androantokom-pitiavana.
  • Saro-tiavina toa landy mohaka
  • Sora-damba an-tsena ny fitiavana, ka samy mifidy ny tiany.
  • Tantely be ronono ny fitiavana ka arakaraky ny hizaranao azy no vao maika ahazoana fifaliana.
  • Tia ihany ka be malo
  • Tiambady ka mahay miresaka
  • Tsy mahavaly fitia toa zaza
  • Tsy misy fitia fito taona, fa ny sisan'izay fihavanana.
  • Tsy misy fo mahafoy  vady hoe,  fa ny maso no te hanan-droa.
  • Tsy tia aho e tsy tia aho e,  nefa ny ao am-po mitaralila
  • Tsy tia maro toa mpamosavy
  • Tsy tia tsy tia nefa tsy manidy trano
  • Vato natsindry ahazana ka tsipy no valim-pitia
  • Vorombola miaraka amin'ny akoho,  miala fa tsy havanay
  • Zavarin'ny fitia manantombo ka in-telo miarahaba ihany
  • ....