AFO
- Afo aman-drano, sady sakaiza no fahavalo
- Afo lavitra tsy azo amindroana
- Afo ririnina, ilefàna mangatsiaka, atonina mahamay
- Andro hamaizan’ny trano dia manao afo am-bilany kely, fa ny ampitso manao afom-borodamba
- Aza atao toy ny afo-mololo, ka indray miredaka dia izay
- Aza manao afon’analakely ka ambony vao midonaka
- Aza mila voatsiary, toy ny maka afo amin’ny maty
- Aza misisika ho may toy ny fisoitr’afo
- Efa ho lava toy ny afon’Atongona
- Ivahiny ankava-malahelo, ka soron’afo no hita
- Izay iray donak’afo, iray dinidinika
- Main’ny afo natsangany
- Maka kitay manana ankizy, misorona afo mananjiro, homa-maizina eo ampototry ny mazava
- Manaram-po fahazaza ka misoron’afo volofotsy
- Mantsafa mahita, toy ny mpaka afo
- Maty mangina toa otrikafo
- Miangatra kosa ny velona raha ny maty no anateran’afo
- Mitono manao matamata, mahandro manao lozodozotra; ny atao ihany ity no nankarary am-bavafo.
- Nahoana no ho mpanefy ka matahotra afo!!
- Ny marina toy ny afo, raha fonosina mandoro
- Ny mpanjaka toy ny afo, raha alavirina mangatsiaka, raha atonina mahamay
- Raha miroborobo ny afo, miara-mamindro izy rehetra, fa ny tompon-trano ihany no manila ny lanenona.
- Soron’afon’adala, ny aloha tsy levona, ny aoriana asisika ihany
- Tongotry ny afo, ny rivotra, vavan’ny adala ny hendry
- Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
- Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
- Ny tokantrano tsy ahahaka.
- Raha eken-dRabevoho aza, raha tsy eken-dRafara tsy tapaka.
- Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra.
- Raivo tsy hety hirafy, Rafara hisesika ihany.
- Saro-po manan-tokana, ka tsy manan-droa hamolahana
- Sarotr'entina toy ny rafozam-be tsiny: omena ny manta, "Tsy omby vilany", omena ny masaka, "sisa tsy lany"
- Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
- Toy ny reni-hao, ny vavy indray no malaza.
- Tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy toy ny torimaso
- Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra.
- Tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha
- Vadin-joky kilalaon-jandry
- Vady hariana be tsiny, zanak'olon-tsy vadiana toa soa, tsy rafozana toa bohaka
- Vady tiana k'aza vambaina
- ....
-
Ohabolana sy fomba fiteny momba ny AFO
- Par
- Le 16/03/2015
- Dans AFO
Ohabolana sy fomba fiteny Malagasy momba ny AFO