AINA
- Akohokely mifatotra mahazaka, mizaka ny tsy eran'ny aina
- Akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan’aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
- Aza manirina olon-tsy afaka aina
- Izay manoro lala-mahitsy mamindra aina
- Kibobo voafandrika ka ny mandrimandry no ahazoana aina.
- Mahery tsy maody tsy ela velona
- Mamy ny miaina
- Manao vy very ny ainy
- Mpitadi-bato tsy mihoraka very ny androatokon'aina. ary mifankatia tsy miresaka very ny androatokom-pitiavana
- Ny aina aloka aman-javona mihelina dia lasa
- Ny aina fitahy, ny herimpo fanary
- Ny aina fofonahandro, raha sokafana dia lasa
- Ny aina hiala, tsy menamaso
- Ny aina toy ny aloka aman-javona
- Ny aina toy ny fanjozoro, izay mahapandopando no manana ny mateza
- Ny aina toy ny Tavim-bilany, tsy fantatra izay hahavakiany, na andro na ho alina
- Ny aina tsy afaky ny tompony
- Ny aina tsy mifametra
- Ny arivo lahy tsy maty indray andro
- Ny fahafatesana tsy manisa ny aina efa matiny.
- Ny tany vadiben-janahary, mihary ny velona, manotrona ny maty
- Raha voadona ny aty marary ny afero
- Ranomaso tsy mahatana aina
- Taon-jezika an-kady ka aina no fetra
- Voalavo mifanena an-ketona ka samy miaro ny ainy
- ....
-
Ohabolana sy fomba fiteny momba ny AINA
- Par
- Le 16/03/2015
- Dans AINA
Ohabolana sy fomba fiteny Malagasy momba ny AINA