FANAMBADIANA
- Aleo adala tena toy izay adala renianaka
- Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo hateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
- Aza misorom-bady an-trano fa ny tena ihany no ho trany
- Aza mitsiriri-bady voky
- Aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra, fa izay mihaingo tsara avokoa
- Aza tsy tia vady, fa tsy ny voalohany no vady, fa ny farany
- Diso hery loatra, ka mamely kopala rafozana
- Fanambadiam-boalavo ka samy mikepoka ny azony
- Fara-vady anadahy
- Lamba ny fanambadiana ka raha vao dia rehareha
- Maimay hivady ka dodona hisaraka.
- Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana
- Manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony, manambady ny fohy, mitahiry tapak'aponga, manambady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano
- Manambady ny tsara tsiriritindry zalahy, manambady ny ratsy ihomehezandry zalahy
- Manambady traky nify atao aloha mitsiky amin'olona, atao aoriana sao manaikitra ny tena.
- Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany.
- Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady
- Miasa jamba rafozana toy ny vinanto vao.
- Mifosa tena toy ny mifosa vady
- Mirehaka amin'ny be tsy hananana, toa ny vadikelin'Antananarivo
- Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa
- Mitranga matetika toy ny fifandiran'ny mpivady.
- Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena.
- Ny anambadian-kiadanana, ny iterahan-ko sambatra.
- Ny anambadian-kiterahana, ny iterahan-ko dimby.
- Ny anambadi-kiadanana
- Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy, vao tsy ialàn-kasokasoka, tonta tsy ialàn-dromoromo.
- Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
- Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
- Ny tokantrano tsy ahahaka.
- Raha eken-dRabevoho aza, raha tsy eken-dRafara tsy tapaka.
- Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra.
- Raivo tsy hety hirafy, Rafara hisesika ihany.
- Saro-po manan-tokana, ka tsy manan-droa hamolahana
- Sarotr'entina toy ny rafozam-be tsiny: omena ny manta, "Tsy omby vilany", omena ny masaka, "sisa tsy lany"
- Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
- Toy ny reni-hao, ny vavy indray no malaza.
- Tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy toy ny torimaso
- Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra.
- Tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha
- Vadin-joky kilalaon-jandry
- Vady hariana be tsiny, zanak'olon-tsy vadiana toa soa, tsy rafozana toa bohaka
- Vady tiana k'aza vambaina
- ....
-
Ohabolana sy fomba fiteny momba ny FANAMBADIANA
- Par
- Le 16/03/2015
- Dans FANAMBADIANA
Ohabolana sy fomba fiteny Malagasy momba ny FANAMBADIANA