FIAINANA
- "Ataovy maro ny tiana dia ho vitsy ny fahavalo"
- "Hazakazaka arahintosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy"
- "Kazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy"
- Afo anatin-tany ny fiainan'olombelona: soa izy ao, ratsy izy ao
- Afo anatin-tany ny fiainan'olombelona: soa izy ao, ratsy izy ao
- Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny heritreritra
- Aleo ro-madio tsy arahin-dromoromo toy izay hena matavy arahin'alahelo
- Angady tokana; raha tapaka tsy misy hanakambanana azy indray.
- Arakaraky ny eritreretanao ny farim-piainanao no fandanianao vola.
- Asesiky ny fitia sy ny hanina azy, ka tsy mahalala masoandro ho faty
- Atao teri-omby ririnina tsy ahaosa ny reniny, tsy ahafaty ny zanany
- Ataovy vikin'alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
- Aza atao tsy tiako bika, tsy tiako tarehy.
- Aza be anatra imaso, fa be fosa ivoho.
- Aza be siasia toy ny amalona andrano.
- Aza manao an'Andriamanitra tsy misy ka mitsambikina mikipy
- Aza manao joko tsoriaka mahasambo-kary
- Aza manao mpitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molotra hafa, ny ataon'ny tanana hafa
- Aza manao solafaka andro mitsidika
- Aza manao: tsindrio fa resy; tano fa azo
- Aza mandihy tsy afa-tavony.
- Aza miandry ny ho faly vao hitsiky fa mitsikia mba ho faly
- Aza mifaninana fa mamorona, jereo izay ataon'ny besinimaro ary aza atao.
- Aza milanjalanaja toy ny akoho mihinam-biby
- Aza mitomany ny randrana manendrika ny hafa
- Aza ny antsanga tsy aman'orana no alahatra
- Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra eo an-tampon'ny loha
- Aza setroky ny afo aroson'ny hafa ihany
- Aza zatra manao lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
- Be famangotra toa rambon'osy, ny lanitra tsy ienjera tohanana fa ny vody kekerin'ny moka tsy heverina
- Fanafodin'ny osa ny marina ataony.
- Fatra-pitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina.
- Fidio izay asa tena tianao ary dia tsy hanampy andro iray hiasana amin'ny fiainanao intsony ianao
- Fidio izay asa tianao ka toy ny tsy miasa ianao amin'ny androm-piainanao rehetra.
- Ilatsahan'ny varatra am-pangerena, sady maty no mihoson-tay
- Izay mangina volamena
- Izay misiditsidina ny eritreriny dia ho potraka noho ny nataony
- Izay sahy maty ihany no mifono lamba mena.
- Izay tia ny tenany dia tsy mba hanam-pahavalo
- Izy mihevitra hiasa tsara dia tsy maitsy mandrangitra ny fitaovany.
- Maitso foana ny ahitra eny an-jaridainan'ny olona.
- Maizina ny andro, azo tsilovina, lalina ny rano, azo lakanina, lalina ny hady, azo toharina, fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra.
- Mamoiza ry vaotay fa nangery eny ambony vato ny ankizy
- Mamono biby an-davaka ka hifoteran'ny rambony
- Manao an'Andriamanitra tsy hisy ka mitsambiki-mikipy
- Mandia tany isika, miloloha lanitra, mandiniha rehefa miteny, mijere vao mamindra.
- Mandihy lava volokelika: mahay manantsiny, tsy mahay manantsiny.
- Mangalatra an-tsena ka mihaiky ny ambanilanitra.
- Manita draharaha toy ny andevolahy mampirafy.
- Manjono lasa -mamba ka sam maka ny tiany.
- Maso mahita tsy mitondra mody
- Matin'ny ebo kely ka ataon'ny alahelo mitakiky.
- Maty an-tanana toy ny valala samborim-boka
- Maty manao soa izy, mandefitra vao vaky loha
- Miavaka anatiny ohatran'ny maso fotsy.
- Mimonomonona hoatra ny lalitra, miriorio hoatra ny angidina
- Miriorio ny angindina fa any an-kady ihany no hihafarany
- Mitso-dava ohatran'ny amalo-maty
- Monina ambanin'ny riaka fa tsy lena
- Mpanelanelana sarotra toa tatamo
- Nahoana no ho maty volon'ny ratsy, ka ny soa no ampanirina?
- Nahoana no lala-masaka omaly, ka dia manjary tevan-kamono?
- Ny asa tsara dia tsy noho ny hery irery ihany fa noho ny fikirizana
- Ny eritreritra dia tsara lavitra noho ny fahalalana.
- Ny fahadisoana dia zavatra tsy maitsy alohanao amin'ny fiainanao rehetra.
- Ny fahazoam-bola noho hiankinan'ny olona noho ny ohatrinona no fidiram-bolako.
- Ny fanadinonao ny tarigetranao no vato misakana eo anolonao tsy ahatanterahanao azy.
- Ny fay sy ny tamana dia iray ihany.
- Ny fiainana dia izay hieritreretinao ho ianao, no maha ianao anao.
- Ny fiainana toy ny làla-malama ka izay miraingiraingy no potraka.
- Ny fifalian'ny sasany toa fahorian'ny hafa, ny sakafon'ny sasany toa pozina mifono ho an'ny hafa.
- Ny filalaovana sy ny asa tsy miaraka.
- Ny halavoana tsy maha lehibe
- Ny hana-dray aman-dreny dia toa ny tsipak'ombalahy, raha mahavoa mahafatsy raha tsy mahavoa mahafanina
- Ny hazo avo halan'ny rivotra.
- Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara.
- Ny hevitry ny maro mahataka-davitra.
- Ny lela dia maranitra mandratra na malefaka manome tso-drano.
- Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
- Ny olona ambony mijery ny tenany, ny olona ambany mijery ny olona
- Ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha.
- Ny soa atao hilevenam-bola, ny ratsy atao loza mihantona
- Ny tarehy ratsy tsy azo hovaina fa ny fanahy ratsy kosa azo hovaina
- Ny tena fahafinaretan'ny saina dia ny manao zavatra izay heverin'ny olona tsy vitanao.
- Ny teny toy ny atody ka raha foy manana elatra
- Ny vilany nandahoana no efa nipoaka
- Ny zavona no manamaizina ny mazava.
- Rafotsibe mandinga-tatatra ka manitatra ny efa mikatona
- Rafotsy be kendam-bomanga, kenad ny nasesiky ny tananany
- Raha zanaka tsy tia ray aman-dreny miteraha mba hahita
- Sakay sy voantsiperifery: ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
- Setroka sy tomany tsy mba sarotra fantarina.
- Sokiny nanani-bato ka tapa-dalan-kaleha
- Solafa omen-tehina, potraka omen-kiraro
- Solafaka omen-tehina, potraka omen-kiraro
- Tahaka ny kitoza ny fiainana, ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony.
- Tain'alika ka ny avo ihany no tovonana.
- Tain'angely ka samy manilika ny ambaravarany.
- Tanon'Antanananarivo io ka izay mahavita aloha no manenina.
- Tonga fa tsy tafiditra am-pahitra, toy ny omby noroahin-jaza
- Toy ny haloky ny tarehy eo amin'ny rano ny fo, izay havoakan'ny vavanao no maha hianao anao.
- Toy ny mamoaka omby tokana, vao mitehin-doha dia tapitra.
- Toy ny ovy am-bato ny olona, maniry ihany fa tsy tomombana
- Toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
- Trano takatra ka izay mandrava azy mialoha no boka
- Tsy maso fa sa fiandry loha no tsy mahita izay hojerena?
- Tsy misy ny afo raha tsy misy kitay, tsy misy ny ady raha tsy misy ny mpifosa
- Tsy misy valiny ; hoatra ny manao soa aman-kazo.
- Tsy ny tany no fady fa ny vavan'ny olona
- Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
- Velezo ny vy dieny mbola mafana.
- Velona iray trano, maty iray fasana toy ny olombelona
- Voalavo no velona, akaiky ny lavany.
- ....
-
Ohabolana sy fomba fiteny momba ny FIAINANA
- Par
- Le 16/03/2015
- Dans FIAINANA
Ohabolana sy fomba fiteny Malagasy momba ny FIAINANA