FITIAVANA
- Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valamparihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia.
- Asesiky ny fitia sy ny hanina azy, ka tsy mahalala masoandro ho faty
- Ataovy fitia landihazo: ka ny madilana tentenana, ary ny màito tohizana.
- Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
- Ataovy fitian-dranon'erika: madinipihavy fa mahatondra-drano
- Aza asesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ny ranonorana ho avy.
- Aza atao fitia ranontrambo be fiavy fa mora ritra.
- Aza atao fitia siligaoma, lany ny mamy dia ariana
- Aza atao fitia telefônina ka raha tsy maneno tsy tsaroana
- Aza atao fitia varavarana, tiana ihany fa atositosika
- Aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy.
- Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaka ny ampitso aho tia olon-kafa.
- Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
- Aza atao toy ny fitia varavarana, ka tiana ihany fa atositosika
- Aza manao fihavanan-karena ka tomany handratra ny sasany.
- Aza manao fitia mifono avona
- Aza manao fitia paraky, ka hatreo ambava no ho miakatra ihany.
- Aza manao fitia rano trambo: be fihavy, ka mora lasa.
- Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadijafy intsony.
- Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.
- Aza mitsipadoha laka nitana
- Fitia kiraro, tiana ihany fa itsakitsahina
- Fitia lamban'akoho, aina no fetra
- Fitia savony, tiana fa avalana rano.
- Fitia tokonana, tiana fa dikadikaina (hitsakitsahina)
- Fitiavana vita sedra fitia mandra-maty!
- Fitiavan'alika ka fifandroritana no hiafarany
- Hazo sy vorona, izay manina no manatona
- Ikalamomba tsy tiandahy ka maty vao Ramalala
- Izay iray vatsy iray aina.
- Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitapi-maso hahazo ozona be.
- Izay tia ny tenany dia tsy mba hanam-pahavalo
- Izay tiana mitombo tarehy.
- Lany andro mifampidinika tahaka ny saka manao fitiavana
- Matim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan'ny sotro.
- Miarahaba mamba, tsy fitia fa tahotra.
- Mifankatia amin'amalona : ka nony sendra tia, nabolilany
- Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany.
- Milaza hoe tsy tia, tsy tia ; kanefa tsy manidy trano.
- Misoko mangina toa ranom-panala ny fitiavana, an-koditra vao mahangoly.
- Misotro rano an-tanam-bady tsy hetaheta fa angolangola.
- Mody tsy tia, koa lefaka
- Mpisakaiza toa mpiombon-dray, mpifankatia toa mpiombon-dreny
- Nahoana no ho tia vao ka manary kolokolo?
- Ny alahelo toy ny raki-malala, ka raha tsy ny olon-tiana tsy amorahana azy
- Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona : hatonina, manalavitra; halavirina, manatona
- Ny fihavanana tsy azo vidiam-bola
- Ny fitia toy ny ketsa, afindra vao miroborobo
- Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana toy ny fary lava vangy
- Ny fitiavana iray afaka mizara ho an'olona maro fa ny fitiavana ny iray tsy azo zaraina ho an'olona roa
- Ny fitiavana maloto toy ny lomotra ambony vato ka raha diavina mandavo
- Ny fitiavana tahaka ny afo : raha lalaovina mandoro, raha koloina maha-masa-bary"
- Ny fitiavana tahaka ny ketsa ka mora afindra.
- Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana.
- Ny fitiavana toy sorajandiana ka samy mifidy izay tiana.
- Ny vala tsa mba seragnana, fa ny fo tea ro mihilagna
- Raha maty aho matesa rahavako
- Raha monina anosy, lavitra olon-kiresahana.
- Raha mpifankatia tsy miresaka, hono, very ny androantokom-pitiavana.
- Saro-tiavina toa landy mohaka
- Sora-damba an-tsena ny fitiavana, ka samy mifidy ny tiany.
- Tantely be ronono ny fitiavana ka arakaraky ny hizaranao azy no vao maika ahazoana fifaliana.
- Tia ihany ka be malo
- Tiambady ka mahay miresaka
- Tsy mahavaly fitia toa zaza
- Tsy misy fitia fito taona, fa ny sisan'izay fihavanana.
- Tsy misy fo mahafoy vady hoe, fa ny maso no te hanan-droa.
- Tsy tia aho e tsy tia aho e, nefa ny ao am-po mitaralila
- Tsy tia maro toa mpamosavy
- Tsy tia tsy tia nefa tsy manidy trano
- Vato natsindry ahazana ka tsipy no valim-pitia
- Vorombola miaraka amin'ny akoho, miala fa tsy havanay
- Zavarin'ny fitia manantombo ka in-telo miarahaba ihany
- ....
-
Ohabolana sy fomba fiteny momba ny FITIAVANA
- Par
- Le 16/03/2015
- Dans FITIAVANA
Ohabolana sy fomba fiteny Malagasy momba ny FITIAVANA